Taratra

Fifanakalozana ara-barotra : Mametraka fototra i Madagasikara sy Kolombia

Nifanakalo hevitra sy traikefa ny kolombianina sy ny Malagasy nandritra ny « Business Forum Colombia–Madagasikara », natao omaly, fotoana nitsidihan’ny filoha lefitra kolombianina, Francia Elena Márquez Mina. Tanjona ny hametrahana fototra maharitra ho an’ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta. Hetsika nokarakarain’ny EDBM tetsy amin’ny An­tenimieran’ny varotra […]

INDRAY MIJERY

Manomboka miditra tsikelikely ny mpianatra amin’ny sekoly tsy miankina amin’ny fanjakana, amin’ity herinandro ity. Amin’ny herinandro ambony kosa no hanatanteraka izany ny sekolim-panjakana rehetra manerana ny Nosy. Ny 2 sy ny 3 septambra izao no hanatanterahan’ny Madajeunes ny hetsika “Salon des études supérieures” andiany faha-22. Sehatra iray ho an’ireo vao […]

Sendika Triade : « Marary ny mpiasan’ny fahasalamana »

Nampahafantatra ny fijoroany sy ny fitakiany ny Sen­dika ivondronan’ireo dokotera sy ny Paramed, mpiasa sy mpandraharaha eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamana (Triade). Mitarika izany ny Dr Ravelojoeliandriambeloaritafika. « Marary ary very hasina tanteraka ny mpiasan’ny fahasalamana », hoy izy ireo, tetsy Antaninarenina, ny sabotsy teo. Nambaran’izy ireo ho antony nijoron’ny sendika izany mba […]

Tetikasa “Haratonaina” : Fandaharanasa maro hanohanana ny marefo

Miompana amina karazana fandaharanasa maro ny tetikasa “Haratonaina”, izay fomba isintonana ny ankohonana marefo avy ao anaty fahantrana lalina. Ho an’ireo fandaharanasa fiahiana ny mpiara-belona an-tanàn-dehibe manokana, nisy ireo fiofanana marolafy, toy ny fanamboarana mofomamy, fikojakojana ny endrika amam-bika, zaitra, rafitra…. Tanterahina eny anivon’ny Sehatra Mahasoa kosa ny fizarana sy […]

Ady amin’ny fampiasana ankizy-2025-2040 : Novolavolaina ny drafitrasa nasionaly faharoa

Mbola ady ifarimbonan’ny sehatra maro ny fampiasana ankizy eto Madagasikara. Namarana ny fakan-kevitra mahakasika izany ny tany Atsimo, ahafahana mamolavola drafitrasa nasionaly faharoa. Natao tao taolagnaro ny atrikasa fakan-kevitra, ho an’ny faritra Atsimo, momba ny fandrafetana ny drafitrasa nasionaly iadiana amin’ny fampiasana ankizy ho an’ny taona 2025-2040 (PNA LTE II […]