Taratra

Nahazo 40 tapitrisa Ar : Olona enina voasambotra

Nanao fisolokiana nandritra ny fito taona, enina miana­dahy mianaka voasambotry ny polisy tao Antsirabe, ny 30 mey teo. Nitrangana fisolokiana tao Andranomaimbo-Antsirabe, ny volana febroary teo. Nanipazan’ireo olon-dratsy vola 100 Ar madio be niampy vovo-bolamena nifono anaty harona plas­tika ny vehivavy iray. Mody nilaza ho niara-nahita tamin’ilay mpandalo ny mpisoloky […]

Lehilahy nofatoran’ny loka : Nosolokiany ny 93 tapitrisa Ariary, an’ny mpampiasa azy

Voasambotry ny polisy tetsy Ivato, omaly, ny lehilahy iray tratra nisoloky sy nandany ny volan’ny mpampiasa azy mitentina 93 tapitrisa ariary tamin’ny filokana. Voasambotry ny polisin’ ny Cybercriminalité Anosy omaly, tetsy Ivato, ny lehilahy iray 23 taona, voarohirohy ho nandany sy nisoloky vola mitentina 93 tapitrisa Ariary, an’ny mpampiasa azy. […]

FANTINA sy FINTINA

Nahitsy ny depiote Rajerison Antoine manolona izao fahatapahan-jiro izao. Nambarany fa efa tena famonoana ny toekarena anatiny mihitsy izao zava-misy izao. Tsy mahavaha olana intsony ny mpanatanteraka. Toa tsy misy mijery, tsy misy miresaka, akory. “Mame­traha fialana rehefa tsy vita intsony fa aza atao an’izao ny vahoaka”, hoy izy. Nisolo […]

Minisitry ny Raharaham-bahiny: “Mametraka fiaraha-miasa ny fifanarahana lasitra”

“Fifanarahana eo amin’ny firenena roa tonta no natao. Mba hahazoana mametraka fiaraha-miasa eo amin’ny lafiny fifanakalozana amin’ny alalan’ny fivoriana izany. Kara­zana fifanarahana lasitra ihany anefa”. Io ny fanazavan’ ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavi­tafika, teny Iavoloha, omaly, ny amin’ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’i Slovénie sy i Madagasikara ao anatin’ny fitsidihana ara-panjakana […]

Mamirifiry, mampangirifiry

  Tena efa latsaka anatin’ny vanim-potoana mangatsiaka tanteraka ny eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana izao. Tena efa mamotsifotsin’ny fanala ny bozaka aman’ahitra eny ankalamanjana rehetra eny. Sanatria, efa hivadika ho lagilasy mihitsy amin’ny faritra sasantsasany. Tena mamirifiry, mipaka amin’ny taolana, ara-bakiteny ny hatsiaka. Mila mitandrina ny olona marefo sy izay taizan’aretina. […]