Mampalahelo ny manjo ireo vahoaka any ambanivohitra rehetra any. Toa hanjakazakan’ny manampahefana sy ny tomponandraikitra mba manana ny fahafahana manao izany. Trangam-piarahamonina sady raharaha politika anisan’ny mampitaraina ny mponina ihany koa ny fomba amam-panaon’ny olom-boatendry sasany. Manao tian-kano tsy tia an-kano. Hanairana ny minisitra isan’ambaratonga ny mahakasika ny solontenan’izy […]
Taratra
Fihaonana maromaro tany Dubai : Nikaro-bahaolana momba ny angovo sy rano ny filoha
Nivahiny 24 ora tany Dubaï, ny 9 desambra lasa teo, ary nitodi-doha teto an-tanindrazana, ny 10 desambra alina, ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël. Fihaonana maromaro no nataony tamin’izany, araka ny nambaran’ny gazety Africa Intelligence. Anisan’ny nihaona taminy ireo diplaomaty any Emirats arabo mitambatra, toy ny Sekreteram-panjakana misahana ny fifandraisana […]
TSELATRA
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany Moratsiazo, kaominina Ampefy, Soavinandriana, faritra Itasy, omaly. Tra-doza, nifatratra tamin’ny tranon’ olona ny fiara tsy mataho-dalana iray, nivadika ihany koa, nandritra izany. Olona telo no tao anatiny. Maty tsy tra-drano ny mpamily. Olona roa hafa naratra mafy, efa nentina nihazo ny hopitaly. Nandeha mafy ny […]
Olona telo voasaringotra : Vehivavy voaolana namoy ny ainy
Namoy ny ainy ny tovovavy iray niharan’ny fanolanana monina ao Marovahona, fokontany Ambohidralamanga, kaominina Fandriana, omaly. Niharan’ny herisetra tao amin’ ny trano fisotroana iray, tao amin’ny tsenan’Ambatonandriana, ny volana mey lasa teo, io vehivavy io, araka ny angom-baovao. Nitaraina mafy tamin’ny fianakaviany ilay lasibatra ka nentin’izy ireo natao fizahana teny […]
Andraisoro : Telo vavy nangalatra 2 tapitrisa Ar
Nofatoran’izy telo vavy ny mpanampy ka noraofiny ny vola 2 tapitrisa Ar, niampy finday telo sy kojakoja fikarakarana volo, tao amin’ny tokantrano iray, teny Andraisoro, ny 9 desambra teo. Niditra an-tsokosoko tao amin’io tokantrano io ireo mpanao ratsy. Notanan’izy ireo ilay mpanampy. Tsy nahatohitra ity farany ka nofatoran’ireo tsy mataho-tody. […]





