Taratra

Fanafihana tetsy Ambohitrimanjaka: Raim-pianakaviana iray maty voavely tamin’ny vatan-kazo

Notafihan’ny jiolahy ny tokantrano iray tetsy amin’ny fokontany Antsahafohy, kaominina Ambanivohitra Ambohitrimanjaka, distrikan’Ambohidratrimo, ny alin’ny alatsinainy hifoha talata tamin’ny 11 ora teo. Namoy ny ainy vokatry ny vely vatan-kazo nataon’ireo olon-dratsy, ny raim-pianakaviana iray 46 taona, tompon-trano. Nivoa-dra ny vavany, ny sofiny, ny orony, mangana ihany koa ny tendan’ilay rangahy. […]

Fodiamandrin’i Céline Ratsiraka : Nitondra ny teny fampiononana ny Antenimierampirenena

Tonga teny amin’ny trano fonenany, eny Faravohitra, ni­tondra ny teny fampiononana sy fankaherezana ny fianakavian’i Céline Ratsiraka, va­dy na­velan’Itompokolahy Di­dier Ratsiraka, filohan’ny Re­pobli­kan’i Madagasikara teo aloha ny mpiara-miasa ao amin’ny Antenimieram­pi­re­ne­na notarihin’ny filohany, Tokely Justin, omaly. Sady fanomezam-boninahitra an’i Céline Ratsiraka amin’ny maha vady navelan’ny filoha teo aloha izany no […]

Fitantanana ny Sadc : Hanampy ny filoha Rajoelina ireo andriamanjaka

Niarahaba ny filoha Rajoelina Andry amin’ny fandraisany ny fitantanana ny Sadc ny fivondronamben’ny andriamanjaka. Vonona ny hitondra ny anjara birikiny izy ireo amin’izany. Ho eo hatrany hanohana sy hanampy. “Vonona izahay fivondronamben’ny andriamanjaka, Com­mu­nauté Royale de Madagascar, hitondra ny anjara biriky, hanampy ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, amin’ny andraikitra goavana sahaniny […]

INDRAY MIJERY

“Rentrée Mifampitsinjo”, Hetsika iray maneho ny fifanampiana sy firaisankina hanamaivanana ny vesatra iainan’ny ray aman-dreny amin’izao fidiran’ny mpianatra izao izy ity. Hisitraka izany koa ireo faritra manerana ny Nosy. Hatao ao amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny 30 aogositra hatramin’ny 1 septambra ho avy izao, izany. Misitraka fihenam-bidy hatramin’ny 50% amin’ny […]