Hanolotra ny traikefany sy ny fahaiza-manao ao anatin’ny fikarohana momba ny vary eto amintsika ireo mpilatsaka an-tsitrapo japoney. Hiara-miasa akaiky amin’ireo mpisehatra samihafa ireo teratany vahiny ka tanjona ny hanatsarana sy hampiroborobo ny vokatra eto amintsika. Araka izany, hiara-hisalahy amin’ireo mpikaroka avy ao amin’ny Fofifa ireo japoney. Tafiditra ao anatin’izany […]
Taratra
Amboasary Atsimo : Fambolena taretra amin’ny dongom-pasika 243 ha
Paikady hiarovana amin’ny fikisahana sy fitomboan’ny dongom-pasika ny fambolena taretra eo amboniny. Mahatratra 243 ha ny velaran-tany efa voavoly any amin’ny kaominina Tanandava, distrika Amboasary Atsimo. Miasa any amin’ny faritra Androy, Anôsy ary Atsimo Andrefana ny tetikasa Mionjo. Anisan’ny ifantohany ny mitondra vahaolana hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro. Satria, mirongatra any […]
TARATRY ny KANTO
Nikatona tanteraka ny “Madagaslam Festival 2025”. Ankoatra ireo ny fampahafantarana an’i Ma Fia, izay tompondakan’i Madagasikara, nandritra ny “Slam national” andiany faha-16, efa fantatra koa ireo mpandresy tamin’ny sokajy hafa. I Mariah Danielle teo amin’ ny sokajy “Slam media kids”, i Sedra nandresy tao amin’ ny sokajy “Slam Media open”, […]
Fizarana fahalalana amin’ny kolontsaina : Mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy
Mbola tena mafy ny fifandresen-dahatra! Mila omen-kasina ny tontolon’ny zavakanto sy ny kolontsaina malagasy. Tsy izay, anefa, ny zava-mitranga fa mitady ny maimaimpoana hatrany ny Malagasy. « Izahay te hianatra mitendry valiha, milalao fanorona, hahay sikidy sy fanandroana, sns. Saingy, misy sarany avokoa ny fianarana ireny… Tsy aleo ve atao maimaimpoana », […]
Andrarezin’ny vazo miteny : Hisy ny “Pao-tsatroka ho an’Ifanihy”
Tsy misy adihevitra, fa Ifanihy no anarana akaiky indrindra raha vao hoe “vazo miteny”. Misy ireo zandry novolavolainy, hanolotra pao-tsatroka ho an’ity mpanakanto ity. “Omeko tsy omeko”, “Lemena”, “Mpiasan’ny voirie”, sns. Tany amin’ny fiandohan’ny taom-polo 80 tany no efa nampisongadina ireo hira ireo. Mpamorona iray, mahay milalao ny teny hifanaraka […]





