Taratra

Vary safiotra : Mampidi-bola 5 tapitrisa Ar ny tany 1 hekitara

Nizarana masomboly vary safiotra sy zezika ny tantsaha eny Sabotsy Namehana, omaly. Ahazoana vokatra 12 taonina isaky ny hekitara ny velarantany 1 hekitara. Misitraka ny vina sy ny fanamby napetraky ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, ny tantsaha ao amin’ny kaominina Sabo­tsy Namehana. Natolotry ny Sekreteram-panjakana misahana ny fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), […]

INDRAY MIJERY

Ao anatin’ny hetsika « Fijery hafa », mitohy ny fampiofanana maimaimpoana ireo tanora ao amin’ny faritra Analanjirofo. Tao Fenoarivo Atsinanana no nanatanterahina izany. Nahitana zaitra, fiompiana akoho gasy nohatsaraina, ary nahandro sy fanaovana mofomamy. Natao hampivelatra ny fahaiza-manao sy hanome traikefa azo hampiharina avy hatrany ny fiofanana. Hahafahan’ny tanora miroso amin’ny asa […]

Fanabeazana hiara-miaina eny an-tsekoly (EVH) : Nodinihina ny tahirin-kevitra fototra nasionaly

Notanterahina tao amin’ny efitranon’ny Dren Matsiatra Ambony, tamin’ity herinandro ity, nandritra ny roa andro, ny fivoriambe nasionalin’ny fanabeazana ho amin’ny fiaraha-miaina mirindra eny anivon’ny sekoly (EVH). Fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fana­beazam-­pirenena sy ny UNF­PA izy ity. Nisy fifanakalozan-kevitra mahakasika ny lohahevitra fototra manodidina ny EVH, toy ny herisetra mahazo ny ankizy, ny […]

Teleferika: Hatsangana ny orinasa hitantana azy

Nolanin’ny filankevitry ny minisitra ny alarobia teo ny fandraisana anjaran’ny fanjakana malagasy amin’ny renivolan’ny orinasa izay hatsangana hitantana ny teleferika. Orinasa mpitantana sy mpitrandraka ny fitaterana an-tariby no hiantsoana izany orinasa vaovao izany. “Anisan’ny fotodrafitrasa ireharehan’i Madagasikara ny teleferika”, hoy ny filoham-pirenena Rajoelina Andry. Tsiahivina fa nisy ny fandaminana amin’ny […]

SAYOF andiany faha-7 : Nahatonga solontena avokoa ny firenena 16 anatin’ny Sadc

Nanao tatitra mahakasika ny «Sayof» andiany faha-7 teny amin’ny Lapan’ny fanatanjahantena Mahamasina ny solontenan’ny mpandray anjara, niarahana tamin’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly. Tanora malagasy 100 no nandray anjara tamin’ny fihaonana an-tampon’ny tanora eto amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny «Sayof» andiany fahafito notanterahina teto Antananarivo, ny 15 hatramin’ny […]