Taratra

« Gender Day » : Mampitovy fomba fijery ny fiarahamonim-pirenena aty Afrika

Notanterahina omaly, tetsy Ankorondrano, ny “Gender Day”, fihaonan’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiantsehatra amin’ireo firenena 16 anivon’ny Sadc. Ahitana ireo fiarahamonim-pirenena miantsehatra amin’ny fampiroboroboana ny vehivavy eo amin’ny sehatra samihafa izy ireo. Tanjon’ny «Gender Day» ny hampitovy ny fomba fijerin’ireo fiarahamonim-pirenena eo amin’ireo firenena 16. Mitondra ny anjara birikiny amin’ny fampandrosoana ny […]

TARATRY ny KANTO

I Arielatra, Dimby Mahenina, Baliaka Natiora ary i Kanto Fitahiana. Hanafana ny sehatra lehibe, etsy amin’ny Cercle Germano-Malagasy Analakely, ny 23 aogositra izao, manomboka amin’ny 3 ora tolakandro, amin’ny alalan’ny poezia izy dimy mirahavavy avy ao amin’ny Faribolana Sandratra. Fintinin’izy ireo ao anatin’ ny « Anofy » ireo hevi-dehibe hampitaina amin’io antsa […]

Taona 2025 – Dadafara Lt production: « 30 000 Ar ny anjaran’ny mpihiragasy iray »

Volana jolay, aogositra, septambra, oktobra. Ao anatin’ ny fanatontosan’ny Malagasy ireo fomba amam-panao ta­haka ny famadihan-drazana sy hasoavan-jaza. Fotoana ma­hamaro ny adin-kiragasy. Eo ihany koa ny adin-kiragasy karakaraina olona tsotra na fikambanana, sns. « Eo ho eo amin’ny 1 500 000Ar ny karaman’ny tarika iray. Voatazona ihany io, saingy, ho an’ity taona 2025 […]

« Visa pour l’image » : Haneho ny « Madagasikara tanin’ireo fanahy »

Anisan’ny nasaina hiatrika ilay hetsika fampirantiana saripika « Visa pour l’image », tanterahina any Perpignan Frantsa, ny 30 aogositra hatramin’ny 14 septambra izao, i Rijasolo. Lohahevitra hoentiny amin’izany ny « Madagascar, terre des esprits » na « Madagasikara tanin’ireo fanahy ». Saripika ma­hatratra 31 no hanehoany izany. Ireo saripika ireo no hamoaka sy hanamafy fa eo […]

Kolontsaina mampiray firenena: Andiany faha-19 ny « Angaredona mozika festival »

Hetsika kolontsaina, anisan’ny lehibe fanao isan-taona, ny « Angaredona mozika festival ». Amin’ny ankapobeny, voatazona hatrany ny fandaharam-potoana nisy hatramin’izay. Misy hatrany ihany koa ny fanatevenana. Hotanterahina eny Ambo­himanga Rova, ny 13 ka hatramin’ny 21 septambra izao, ilay hetsika kolon­tsaina lehibe « Angaredona mozika festival » andiany faha-19. Tafiditra ao anatin’ny fandaharam-potoana ny diabe […]