Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana ambony, any Mananjary, afakomaly, ireo olona valo voarohirohy ao anatin’ny tambajotra mpaka an-keriny zaza varira. Vokany, naiditra vonjimaika am-ponja avokoa izy rehetra, taorian’izay. Voasambotra ny 16 aogositra 2025 lasa teo, tany Ambalahosy Avaratra, distrikan’i Mananjary, ny olon-dratsy miisa enina, raha toa ka efa voasambotra sy […]
Taratra
Tsy nahaloa vidin-tsakafo: Voasambotra ilay teratany frantsay
Tratra ihany rehefa niafina nandritra ny andro vitsivitsy ny lehilahy teratany frantsay 42 taona. Nanjifa tamin’ny toeram-pisakafoana iray tao Toamasina izy, ny 14 aogositra lasa teo. Nitsoaka avy hatrany avy eo satria tsy nahaloa ny vidin-tsakafo nohaniny. Hitan’ny mpaka fasika teo ambany tetezana Analamalotra, kaominin’Antetezambaro, Toamasina II, izy io ny […]
Efa-dahy voasambotra: Vehivavy voaolana sady voadaroka
Nivonto maso sy tarehy ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono nataon’ny efa-dahy tao Antatamokely-Ampatsakana, kaominina Ankazobe, ny alahady teo. Tratra avokoa ireo nahavanon-doza. Nalemy, vaky loha sady nivonto ny tata-masony roa an’ny vehivavy iray niharan’ny fanolanana sy vono tao Antatamokely-Ampatsakana, fokontany Ankazobe I, kaominina Ankazobe, ny alahady 17 aogositra […]
Rakotomanana Richardson : «Tsy fanohanana an-jambany na fankahalana ny fanaovana politika»
Aiza ho aiza ny fanaovana politika amin’izao? Maneho ny fijeriny ny filohan’ny Fiombonan’ny firaisamonina sivily ho amin’ny fandrosoan’ny Malagasy na ny Coalition de la société civile pour le progrès des Malagasy (CSCPM), Rakotomanana Richardson: “Tsy fanohanana an-jambany na fankahalana ny fanaovana politika.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao ny tontolo […]
Ticad any Yokohama: Hampita ny vinan’ny Filoha ny Praiminisitra
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy, omaly, any Yokohama Japon, ny andiany fahasivy eo amin’ny fihaonamben’i Afrika ho amin’ny fampandrosoana (Ticad), iarahana amin-dry zareo Japoney. Anisan’ny mandray anjara amin’izany ireo filoham-panjakana sy lehiben’ny governemanta afrikanina ka misolo tena ny filohan’ny Repoblika any an-toerana ny praiminisitra Ntsay Christian sy ireo delegasionina tarihiny. Zava-dehibe […]




