Fahombiazana indray ny an’ny Malagasy niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao tany Ghana, tamin’ity herinandro ity. Medaly 17 no azon’i Madagasikara. Taranja mampamiratra ny Malagasy hatramin’izay ny fibatana fonjamby. Mbola noporofoin’ny Malagasy atltela izany nandritra ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, sokajy Jeunes sy Junior, natao […]
Taratra
Hetsika tao Ambositra : Notsiahivina ny kolontsaina « Volambetohaka »
Tontosa ny 14 ka hatramin’ ny 17 aogositra lasa teo ny fankalazana ny « Volambetohaka 2025 ». Notsiahivina tao anatin’ny telo andro tamin’izany io kolontsainan’ny Betsileo avaratra ao anatin’ny faritr’Amoron’i Mania io. Anisan’ny nandray anjara ireo distrika miisa efatra, ahitana an’Ambositra, Fandriana, Ambatofinandrahana ary Manandriana. Nanampy izany ny avy any Imady Ala. […]
Faritra Vakinankaratra : Hotrandrahina amin’ny fizahantany ny RN7
Notanterahina ny herinandro teo ny hetsika “Festival de la RN 7”. Nambaran’ny governoran’ny faritra Vakinankaratra, Vyvato Rakotovao, fa azo trandrahina tsara amin’ny sehatry ny fizahantany ny lalam-pirenena faha-7. Nanteriny fa ahitana ny tolotra rehetra ilaina amin’izany sehatry ny fizahantany izany ireo tanàna manamorona iny lalam-pirenena iny. “Anisan’izany ny tontolon’ny sakafo […]
Heriniaina Jean Jacques: Jamba lasa mpampiofana amin’ny tontolon’ny fananahana
Manana fahasembanana eo amin’ny fahitana i Herinaina Jean Jacques. Niezaka sy nihoatra teo amin’ny fiainana izy, nanaraka fiofanana ary lasa mpampiofana amin’izao fotoana. Antony nandrisika azy, tamin’izany, ny tsy fisian’ny olona manana fahasembanana misehatra amin’ny tontolon’ ny fampiofanana. Misokajy ho efatra ny fahasembanana mpahazo ny olona. Eo ny sembana ara-tsaina, […]
Ambatoboeny : Rongony 24 kg saron’ny zandary
Natsipin’olona nampiahiahy avy hatrany ny rongony tamin’ ny gony nentiny rehefa nahatazana mpitandro filaminana tao amin’ny fokontany Morafeno, kaominina ambanivohitra Manerinerina, distrikan’ Ambatoboeny, ny 17 aogositra teo, izy ireo. Naharay loharanom-baovao ny zandarimaria miasa ao an-toerana fa misy olona mitatitra rongony mihaodihaody ao an-tanàna. Mpamatsy rongony ao amin’ny tanànan’Ambatoboeny rahateo […]




