Anisan’ny hetahetan’ny FFKM ny hanombohana ny fikaonandoham-pirenena eny ifotony, eny anivon’ny fokontany.Ho fanombohana izany ny fanokafana ny hetsika rehetra, ny alarobia izao. «Homena sehatra bebe kokoa ny eny ifotony », hoy ny eo anivon’ny FFKM. Voalaza fa efa misy rahateo ny tetibola hiatrehana izany. Na izany aza, tsy mbola voafaritra ny […]
Taratra
TSELATRA
Nitohy ny sabotsy 6 desambra teo ny « Opération Mahomby » ataon’ny polisim-pirenena miasa eo Antananarivo Renivohitra. Manao fisafoana eny anivon’ny elakelan-trano sy toerana maro anatin’ny boriborintany miisa enina izy ireo. Tanjona ny hisorohana ny asan-jiolahy sy ny mpanararaotra akaiky andro fety tahak’izao. Mpamaky trano roa lahy tratra teny Anosipatrana Andrefana, naiditra […]
Ambolokandrina: Mpanendaka niharan’ny fitsaram-bahoaka
Naratra mafy niharan’ny daroka sy vono vokatry ny hatezeran’ny fokonolona ny mpanendaka iray, teny Ambolokandrina, boriborintany faharoa, ny sabotsy teo, tamin’ ny 11ora alina. Olon-tsotra taraiky fodiana no lasibatry ny mpanao ratsy. Miisa efa-dahy ireo mpanendaka ka naka ny finday teny amin’ny lasibatra, tsy lavitra ny tetezana Ambolokandrina. Nanohitra ireto […]
4×4 Tra-doza: Olona roa namoy ny ainy
Maty tsy tra-drano ny mpandeha roa tamin’ireo enina tao anatin’ny fiara tsy mataho-dalana iray tra-doza teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, tao amin’ny distrikan’Antanifotsy, ny 5 desambra lasa teo. Niainga avy eto Antananarivo, nikasa hihazo an’Antsirabe io fiara io. Hiditra ny tanànan’ Andalamaty, fokontany Masoandro, kaominina Ampitatafika, PK 91 + 800, nivoaka […]
Mandripaka ny varatra : Lehilahy nilatsaham-potaka teo ambony bisikileta
Niongana teny ambony bisikileta notaingenany ny lehilahy iray, afakomaly. Nilatsaham-baratra teny an-dalana izy, tao Ihazomay, Ankadinondry. Tafakatra valo ny olona matin’ny varatra tao anatin’ny telo herinandro. Namoy ny ainy teo am-pitaingenana bisikleta ny raim-pianakaviana iray, tao amin’ny fokontany Ihazomay Atsimo, kaominina ambanivohitra Ankadinondry, distrika Tsiroanomandidy, afakomaly. Nikasa hamonjy fodiana io […]





