Olona tsy latsaky ny sivy no voakakitry ny alika tao amin’ ny kaominina Miary, distrikan’i Toliara II, hatramin’ny omaly. Alika iray mirenireny an-dalambe io nanaikitra olona io ka nivoa-dra izay tratrany. Misy olona hafa koa, efa niharan’ny kaikitr’alika saingy alika hafa loko sy karazana. Manahy amin’ ny mety hisian’ny alika romotra […]
Taratra
“Fête du Basket NBA” : Efa tonga eto i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles
Noraisina teny amin’ny biraon’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, omaly, ireo kalaza NBA tonga hizara traikefa eto Madagasikara, i Anthony Tolliver sy i Sylvia Fowles, niaraka tamin’ny masoivoho amerikanina. Nandritra izany no nanambarana ny anton-dia sy fandaharam-potoan’izy ireo eto Madagasikara, mandritra ny fandalovany. Araka izany, hatao ny sabotsy 23 aogositra […]
INDRAY MIJERY
Mitohy hatrany ao amin’ny faritra Atsimo Andrefana ny hetsika « Fijery hafa », natao hanomezana fahaiza-manao maimaimpoana azo hampiharina avy hatrany. Anisan’ny notanterahina tamin’izany ny fiofanana momba ny fanamboarana mofomamy. Tanora miisa 20 no nisitraka izany, izay nomen’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Hetsika iray mikendry ny hanamafisana fahaiza-manao ho […]
Tetikasa « Kopakelatra » : Tavoahangy plastika 2,6 taonina voaangona
Tsy fialamboly sy fampisehoana fotsiny ny « Star Tour ». Fotoana hanaovan’ny Star hetsika ara-tsosialy, tafiditra anatin’ny Fandraisana andraikitra ara-piarahamonina (RSE) izay voiziny ihany koa izany. Iray amin’ireny ny tetikasa « Kopakelatra », izay natao hanangonana ireo tavoahangy plastika, mba hahodina ho lasa vokatra hafa indray. Nanomboka tany amin’ireo fokontany maro mponina, toa an’i […]
Taom-pianarana 2025-2026 : CEG 1 747 misitraka ny tetikasa “Eager”
Nampahafantarin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena ireo CEG miisa 1 747 misitraka ny tetikasa “Eager” ho amin’ity taom-pianarana 2025-2026 ity. Miparitaka amin’ny Cisco 68, anatin’ny faritra 16, ireo sekoly voakasiky ny tetikasa dingana voalohany. Tanjona ny hisitrahin’ny faritra hafa izany tetikasa izany amin’ny taom-pianarana manaraka. Anisan’ny fanohanana lehibe entiny ny fanomezana vatsim-pianarana ho […]




