Aman-taonany maro no efa niandrandra ny fiverenan’ ny Lôlô sy ny tariny ireo mpankafy rehetra. Tsy mbola ho tanteraka indray anefa izany. Vaovao tsara ihany anefa, satria fantatra fa ho avy hiaraka aty an-tanindrazana ny mpikambana sasany izay monina any ivelany. Hihaona indray amin’i Benny sy Bebey, ry Gôda, Ra […]
Taratra
« Festival Sôrogno Ambanja »: Ireo mpanakanto andrasan’ny mponina no halahatra
Tarika maherin’ny 5 isaky ny alina no handray anjara. Fampisehoana mozika no tena hibahana mandritra ny « Sorogno », na eo aza ireo hetsika maro hafa amin’ny maha « Festival » azy. Hetsika ara-kolontsaina anisan’ireo zokiny indrindra sy tsy mba niatoato ny « Festival Sorogno ». Reharehan’Ambanja ny hetsika, satria sady fitaratra amin’ny hetsika […]
FANTINA sy FINTINA
Efa any Japon ny praiminisitra Ntsay Christian handray anjara amin’ny andiany fahasivy, “Conférence internationale de Tokyo sur le développement de l’Afrique – Ticad”. Hanomboka ny 20 hatramin’ny 22 aogositra izao, any Yokohama, izany. Anisan’ny lohahevitra “Ny fikaroham-bahaolana ho amin’ny fanovana an’i Afrika”. Natao veloma ny herinandro teo, handeha hisotro ronono, […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny – sadc : “Goavana eo amin’ny diplaomasia ny fitantanana”
“Ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, no filoha mitantana ny vondrona Sadc. Tena goavana izany eo amin’ny lafiny diplaomasia. Midika izany fa rehefa mivoaka manatanteraka iraka any ivelany ny filoha, manao izany amin’ny anaran’ny firenena 16 mpikambana eo anivon’ny Sadc”. Io ny fanazavan’ny minisitry ny Raharaham-bahiny sady lehiben’ny diplaomasia malagasy, Rasata […]
Tsy ny Malagasy samirery !
Mahita lazaina foana ny olombelona! Tsy mety afapo amin’izay mitranga. Resabe indray hatry ny omaly ny mahakasika ny tsy fahatongavan’ny antsasa-manilan’ireo filoham-pirenena mandrafitra ny Sadc, afakomaly. Entina hanatsatsoana ny ezaka goavambe vitan’i Madagasikara sy ny fitondram-panjakana tarihin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nahatonga solontena avokoa anefa izy rehetra fa tsy […]




