Taratra

Baolina kitra – “CHAN 2025”: Tafita amin’ny ampahefa-dalana ny Barea

Manohy ny diany hatrany ny Barean’i Madagasikara eo amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, taranja baolina kitra ho an’ireo mpilalao tsy matihanina (Chan 2025). Nandresy an’i Burkina Faso, teo amin’ny andro farany, ary tafita hiatrika ny ampahefa-dalana ny Barea. Toy ny tamin’ny taona 2023, tafakatra amin’ny ampahefa-dalana hiadiana ny ho […]

Judo Club Esca : Politika vaovao ny fandefasana ny atleta amin’ny fifaninanana iraisam-pirenena

Judo Club Esca, hita eny amin’ny Esca Antanimena. Miezaka mamolavola sy mampitombo ny traikefan’ny mpikatroka ao aminy. Politika vaovao hitan’ny mpitantana fa hahafahana mampiakatra ny lenta ny fiatrehana fifaninanana iraisam-pirenena, araka ny nambaran’ny filohany. Klioba matanjaka sy lohalaharana eto Anala­man­ga ny Judo Club Esca. Niforona ny taona 1960 izy ireo, […]

TSELATRA

Mamita sazy any am-ponja ny tompon-trano ka nalain’ny olon-dratsy roa lahy ny entana sarobidy, tao Marotandrano, kaominina Mandritsara, ny zoma 15 ao­gositra teo. Nifanehatra tamin’ny zandary mpanao fisafoana alina ny olon-dratsy ka voasambotra. Ady amin’ny tsy fandriampahalemana, nanangana zana-tobim-paritra iray ao Ambatofotsikely ny zandarimaria ao Ankazomiriotra. Hanampy ny fokonolona eny […]

Fanimbana fananana iombonana: Mpangalatra jiro tratra tetsy Anosy

Nentina eny anivon’ny kao­misaria Central Tsaralalà­na ny lehilahy mpanimba fa­na­nana iombonana tratra te­tsy Anosy, omaly maraina ta­min’ny 3 ora sy 45 minitra. Mi­andry maizimaizina sy tsy misy mpandalo, nasesin’io tsy valahara io nalaina ny jiro mandeha amin’ny herin’ny ma­soan­dro manazava ny lalana ma­no­didina ny farihin’Ano­sy. Mi­hanika ny andrin-jiro izy ary […]

Ambodin’Isotry: Ramatoa tratra nanendaka

Miandahy miambavy ny fanaovana asa ratsy, indrindra eto an-dRenivohitra, amin’izao fotoana. Vehivavy 50 taona nosamborin’ny polisim-pirenena miasa eo anivon’ny CSP4 teny Ambodin’Isotry, ny zoma 15 aogositra teo. Maro olona mifamezivezy, hanjakan’ny tontakely toy ny mpanao sinto-mahery sy mpanataka poketra amin’ny lame, iny toerana iny. Niharan’izany ny vehivavy iray ka lasan’ireo […]