Taratra

Lozam-pifamoivoizana: Olona fito namoy ny ainy

Niseholany ny lozam-pifamoivoizana teny amin’ny lalam-pirenena, ny faran’ny herinandro teo. Olona miisa fito namoy ny ainy. Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina tany amin’ny tetezana Ihazomay, fokontany Fanjakamandroso, kaominina ambanivohitra Ankadinondry Sakay, ny zoma tamin’ny 10 ora alina lasa teo. Nikasa hi­songona kamiao tao anaty fiakarana ny fiara sprinter iray manao zotra […]

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry tampoka, ny sabotsy maraina teo, ny ben’ny Tanànan’i Talata Volonondry, Rakotondra­zaka Toky Niaina. Nambaran’ny vadiny fa salama tsara ity ben’ny Tanàna ity, nialoha izany. Mametraka ny ahi­ahiny amin’ny mety ho fisian’ny fanapoizinana ny fianakaviana, raha ny fanazavany hatrany ary hitady ny ma­rina momba izany. Anisan’ireo tonga nidodododo teny amin’ny […]

Minisitra Andriantsitohaina Naina: “Hanova ny fitaterana eto Antananarivo ny teleferika”

Tsotra ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsito­haina Naina, amin’ny fitaterana teleferika. “Reharehako sy reharehantsika ny mitaingina sy mahita ity fitaovam-pitaterana ity, na inona inona havalianareo ahy. Manova tanteraka ny sehatry ny fitaterana eto an-dRenivohitra ny teleferika”, hoy izy, tamin’ny fisantarana amin’ny fandehanana amin’ […]

Hafa ny taloha  

Arahaba soa, arahaba tsara… Tanteraka soa aman-tsara ny fihaonana an-tampony faha-45 eo anivon’ny vondrona Sadc. Tsy nampitsanga-menatra. Vidin-kaja, vi­dim-boninahitra… Iza, hono, rey olona, no mahazo iza­ny eo imason’izao tontolo izao. I Madagasikara ma­non­tolo sy ny Malagasy rehetra tsy ankanavaka, fa tsy ny mpi­tondra ihany. Tonga amin’izany ve ny fivelaran-tsain’ ny […]

Filoha Rajoelina Andry : Nandray ny fahefana maha filohan’ny Sadc

Notanterahina omaly, teny amin’ny CCI Ivato, ny fihaonana an-tampon’ny Sadc. Tontosa, nandritra izany, ny fifamindram-pitantanana eo amin’ny filoha mpitarika ny vondrona. Nandray izany ny filohan’ny Repoblika malagasy, Rajoelina Andry. Vita soa aman-tsara ny fi­haonana an-tampony faha-45 an’ny vondrona Sadc izay natao teto Madaga­si­kara, omaly. Araka ny tinapaky ny mpikambana tamin’ny […]