Taratra

Zaikaben’ny tanora afrikanina  : Ho fanoitran’ny fampandrosoana

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly zoma, teny amin’ny foibe toeran’ny tanora eny Ankorondrano, ny zaikabe fahafito ho an’ny tanora afrikanina aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika na ny 7th Southern Africa Youth Forum (Sayof). Hetsika fanaon’ny fikambanana tsy miankina amin’ny fanjakana mpiara-miasa amin’ny Sadc, isaky ny misy ny fivoriambeny. Araka izany, […]

SOMBIM-BAOVAO

Ny ekipan’ny Tonizia no hifanandrina farany amin’i Madagasikara, ao anatin’ny fifanintsanana isam-bondrona, amin’ny fifaninanana “Afrobasket 2025”, tanterahina any Angola, nanomboka ny talata lasa teo. Andro farany hahafantarana ny tohin’ny lalan’ny Ankoay io lalao hatao rahampitso io. Tanterahina any Toliara ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja basikety, eo amin’ny sokajy […]

Volley-GNVB : Telo taona niaraka ireo mpilalao

Antoka iray lehibe nahazoan’ny ekipan’ny GNVB (Gendarmerie Nationale de volley-ball) ny fandresena, nandritra ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny fahaiza-miaraka eo amin’ireo mpilalao. Nambaran’ny filohany, ny lieutnant colonel, Rajaonarison Fortunat, fa telo taona niarahana ireo mpilalaon’ny GNVB ireo ka efa mifankafantatra tsara. Tsiahivina, norombahan’ny klioban’ny GNVB avokoa ny anaram-boninahitra rehetra, […]

Baolina kitra – “CHAN 2025” : Mila mandresy an’i Burkina Faso ny Barea, anio

Hitana ny sain’ny mpitia baolina kitra amin’ity anio ity ny andro farany amin’ny fifanintsanana hiadiana ny ho tompondakan’i Afrika (Chan 2025) ho an’ireo mpilalao tsy matihanina. Tsy maintsy mandresy an’i Burkina Faso ny Barea raha te ho tafita. Hotanterahina anio, ao amin’ny Kianja Amaan Stadium, ao Zanzibar Tanzanie, ny andro […]

Fitateram-bahoaka: Hiasa ny teleferika, 3 000 Ar ny saran-dalana

Hisokatra ho an’ny daholobe manomboka izao ny fitaterana amin’ny tariby. 3 000 Ar ny saran-dalana. Anisan’ny lava indrindra aty Afrika ity zotra volomboasary vao notokanana, omaly, ity. Notokanan’ny Filoham-pirenena, omaly, ny zotra volomboasary na teleferika mampitohy an’ Anosy amin’Ambatobe. Voa­laza fa noho ny fitomboan’ny mponina dia tsy maintsy hatsaraina ny […]