Voasambotry ny polisim-pirenena ny jiolahy raindahiny amin’ny asa fanendahana miharo herisetra teny amin’ny tetezan-dRamala, Antohomadinika Atsimo, ny alin’ny talata 17 desambra teo. Nanao fisafoana amin’ny alina ny mpitandro filaminana miasa eo anivon’ny boriborintany fahefatra. Nifanehatra tamin’io lehilahy io izy ireo. Nikasa handositra avy hatrany ity farany ka nosamborina. Nampiahiahy rahateo […]
Taratra
Nipitika teny ambony moto: lehilahy maty, niparitaka ny lohany
Raim-pianakaviana iray, 30 taona, no maty tsy tra-drano vokatry ny lozam-pifamoivoizana teny Ivandry. Voalaza ho nandeha mafy izy, tsy nahafehy ny familiana, araka ny fampitam-baovao. Mpitondra moto iray indray no maty tsy tra-drano afakomaly, teny Ivandry. Teny amin’ny lalana mifanila amin’ny masoivohon’i Rosia no nisehoan’izany. Voalaza fa sodokan’ny lalana malalaka, […]
Fibatana fonjamby-Mada 2024: Atleta mendrika indrindra i Rosina sy i Tojo
Nifarana, omaly, teny amin’ny kianja mitafon’Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja fibatana fonjamby, ho an’ny taom-pikatrohana 2024. Nizotra araka ny tokony ho izy ny fifaninanana, araka ny nambaran’ny filohan’ny federasiona, Andriamanarivo Harinelina. Manodidina ny 100 ny mpifaninana izay nahitana solontena avokoa ny ligy rehetra. Teo amin’ny vokatra kosa, mbola […]
SOMBIM-BAOVAO
Tontosa omaly, tetsy Ankorondrano, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Bras de fer. Taranja iray tafiditra ao anatin’ireo taranja zandriny kanefa efa manana haavo teknika ambony eto Madagasikara. Mbola mitohy hatrany ny fampiofanana sy fizarana traikefa omen’ny manam-pahaizana vahiny, ho an’ny taranja Escrime. Tsiahivina fa efa nisy ity fiofanana ity […]
Barea de Madagascar : Mpilalao 25 hiatrika an’i Eswantini
Ny talata lasa teo no nihazo an’i Afrika Atsimo ny Barea de Madagascar, hiatrika ny lalao mandroso hifanandrinana amin’ i Eswantini, eo amin’ny fiadiana toerana amin’ny « Chan 2025 ». Mpilalao 25 no nantsoin’ny coach Rôrô, mpanazatra. Ankoatra ireo mpilalao efa mahazatra toa an’i Nina, mpiandry tsatoby sy i Dadafara ary Tony […]