Taratra

Depiote Ramilison Nomenjanahary: « Aoka tsy ho lany andro hifanaratsy isika »

Naneho ny heviny ary na­hitsy ny depioten’i Fara­tsiho, Ramilison Nomenjana­hary, manoloana ny raharaham-pirenena. «Tsy tokony ho lany andro hanaratsy ny hafa isika mpisehatra politika. Aoka hikatsaka ny fampandrosoana ny firenena », hoy izy. Nam­barany fa tsy fotoan’ny fifanaratsian’ny samy mpanao poli­tika na antoko politika izao. Tokony hapetraka ho laharam-pahamehana ny tombon­tsoam-bahoaka, […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy ilana ny HCJ ny fitsarana ireo nanao ny tsy mety”

Nitafa tamin’ny mpanao gazety vahiny ny filoham-panjakana, Kly Randrianirina Michaël, afakomaly. Nitondrany fanazavana tamin’izany ny raharaham-pirenena. ”Omena ohatra ny va­hoaka malagasy fa tena atao ny ady amin’ny kolikoly. Nisy ny teny mita navoaka fa hotsaraina amin’ny fitsarana ambara­tonga voalohany ireo tomponandraikitra, fa tsy ilaina ny Fitsarana avo (HCJ)”. Io ny […]

Miovaova ny sary!  

  Asa re rey olona na mizotra mankaiza ity fitantanana firenena ity? Raha olon-tsy mahay raha amin’ny politika sy ny kajikajy mifandraika amin’izany dia very. Nanaitra kely na tsy mahagaga aza ny filazana nataon’ny mpitondra fa tsy mbola tetezamita indray hoe isika ity. Mbola Repobli­kan’ny Fanavaozana izao. Mila fanazavana misimisy […]

TSELATRA

Nitrangana lozam-pifamoivoizana indray tetsy Antanimena, omaly maraina. Nifandona ny fiarakely iray sy moto. Nidona mafy teo amin’ny lohan’ilay fiara ity fa­rany. Vokany, naratra ilay nitondra kodiaran-droa. Tsy nisy kosa ny aina nafoy. Tsy fantatra mazava, hatreto, ny an­tony nahatonga ny loza. Trano iray nirodana tamin’ny ampahany tetsy Atsimontsena, fokontany Atsinanantsena, […]

Itaosy-Fiombonana: Vehivavy iray maty nirodanan’ny tamboho

Nitrangana fihotsahan’ny tamboho, nahafatesana vehivavy 30 taona, tetsy Itaosy, fokontany Marobiby, kaomi­nina Fihombonana, disitrikan’ Antananarivo Atsimondrano, afakomaly tamin’ny 7 ora ha­riva. Nianjera tamin’ny trano nahitana rihana roa, misy efitra enina teo ho eo, ny tam­boho iray. Efa-mianaka izy ireo no tao an-trano, nahitana renim-pianakaviana iray sy ny zanany telo ary […]