Solombavambahoaka anisan’ny nanamafy ny antso avo nataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny depiote, Tojosoa Ideal. “Andao hampandeferina ny adihevitra politika fa hifantoka amin’ny fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc”, hoy ity solombavambahoaka voafidy tany Vangaindrano ity. Nanteriny fa hanome vahana ny fifandraisan’i Madagasikara amin’ny sehatra iraisam-pirenena, indrindra aty Afrika, izao fanatanterahana […]
Taratra
Mandresy hatrany
Mandalo sedra mafimafy ny tontolo politika anatiny eto Madagasikara. Iaraha-mahalala ny savorovoron’ny fiaramanidina sy ny kolikoly ao ambadik’izany. Marina tokoa ny voalaza fa tsy nisy nidiran’ny Filohan’ny Repoblika sy ny Praiminisitra ireny. Kanefa tsy tongatonga ho azy na ny vanim-potoana nampipoaka ny raharaha na ny votoatin-tserasera naely. Mainka moa […]
Minisitry ny Raharaham-bahiny: «Hiarovana ny tombontsoam-pirenena ny fihaonan’ny Sadc»
“Hahazoana miaro ny tombontsoam-pirenena ny fihaonana an-tampony toy izao, indrindra eo amin’ny lafiny toekarena izay anisan’ny iompanan’ny vondrona Sadc bebe kokoa”. Io ny fanehoan-kevitry ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, tamin’ny mpanao gazety teny Ivato, omaly, ny amin’ny tombontsoan’i Madagasikara amin’izao fandraisana ny fihaonana an-tampon’ny Sadc izao. Maneho ny haitarika […]
TSELATRA
Norobain’ny jiolahy tanaty lalan-dratsy ny kamiao lehibe iray tany amin’ny lalam-pirenena fahenina, Port Berger-Antsohihy, afakomaly. Nisy fiara tsy nety nisongona tao aoriany tamin’izany. Norovitin’izy ireo ny labasin’ny fiara, betsaka ny entana lafovidy very nandritra izany. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro filaminana ny raharaha. Nigadona teto Madagasikara, omaly, ny vatana mangatsiakan’ny tovovavy iray, […]
Folo lahy nanafika: Namoy ny ainy ny raim-pianakaviana
Namoy ny ainy vokatry ny hataraina tampoka, taorian’ny fanafihan-jiolahy tao an-tranony, ny raim-pianakaviana iray efa taizan’aretina tao Mangarano II, parcelle 11/47, Toamasina, omaly. Niditra an-keriny tao amina tokantrano iray, ao amin’io fokontany io, ny jiolahy miisa telo tsy nisy nisaron-tava, ny alin’ny alakamisy hifoha ny zoma 8 aogositra teo. « Miisa […]




