Taratra

« Our Generation 2025 »: Ho any Russie i Michella, Brenda ary Riantsoa

Miandrandra fandresena hatrany. Fantatra omaly ireo nibata fandresena tamin’ilay fifaninanana «Our Genera­tion», nifantenana izay ho solontenan’i Madagasikara. Voalohany i Michella, Faharoa i Brenda ary fahatelo i Riantsoa. Raha toa ka solontena iray fotsiny no nihazo an’i Russie tamin’ny taon-dasa, hiaraka kosa izy telo mirahavavy ireto amin’ity. Tsy vitan’izay fa hanaraka […]

« Tafan-gilita » – Prime 3 : Efa samy henjana amin’ny tendry gitara ireo mpifaninana

Hanomana fiaraha-mitendry, ka hiaraka tsiroaroa indray ireo mpifaninana. Hiova kely ny endriky ny « Prime 4 », ary hiroso amin’ny fanohanana ireo mpifaninana ihany koa izy efa-dahy mpitsara. Henjana ny fifaninanana! Manan-talenta daholo ireo mpifaninana 25 nandray anjara tamin’ny « Pri­me 3 », tamin’ny fifaninanana « Tafan-gilita », izay notontosaina ny sabotsy teo, tetsy amin’ny Kianja […]

VAOVAO TAMBATRA

Miisa 24 ny dobon-trondro any Paradisakely na Shalom Land, any Niherenana Vatomandry, toerana fanabeazana ankizy sahirana avy any ambanivohitra. Entina hanohanana ireo ankizy ny fidiram-bola avy amin’ny fiompiana trondro. Vinavinaina hamokatra trondro 34 taonina isaky ny tsingerim-pamokarana ireto dobo ireto. Mampiasa ny teknolojia faharanitan-tsaina artifisialy (IA) ny ladoany malagasy.Lohahevitra nohazavain’ny […]

Etazonia : Haban-tseranana 15% ho an’i Madagasikara

Afaka miaina kely! Nam­pahafantarin’ny ambasadaoro malagasy any Whasington, ny zoma 1 aogositra teo, fa 15% ny tahan’ny haban-tseranana ampiharina amin’ireo entana avy aty Madagasikara miditra any Etazonia. Azo raisina fa fandresena ho antsika io fepetra io satria, efa nitaintaina mafy ireo mpandraharaha sy orinasa malagasy, manondrana entana mankany Etazonia. Misitraka […]

Delegasionin’ny Sadc : Nitsidika ny Star Ambatolampy

Tafiditra tao anatin’ny fandaharam-potoan’ny “Heri­nandron’ny indostrian’ny Sadc” (SIW), ny fitsidihana orinasa. Anisan’izany ny fidinana ifotony tany amin’ny ozinina Star Ambatolampy, ny 1 aogositra teo. Fotoana nahitan’ny delegasionin’ny Sadc, miisa 50, ny firoboroboan’ny indostria eto amintsika sy ny fahaiza-manaon’ny Malagasy. Nampisehoana ny fampivoarana ny indostria mifandray amin’ny fanodinana ny vokatra eto […]