Natao tany Addis-Abeba ny fihaonana an-tampon’ny Firenena mikambana mahakasika ny rafitra ara-tsakafo. Vonona hanohana an’i Madagasikara ny vondron’ireo mpiara-miombon’antoka. Nisolo tena an’i Madagasikara nandritra ity fivoriambe UNFSS +4 ity ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (Sesa), Razanamahefa Tahian’Ny Avo. Nikarakara azy ny firenena italiana sy etiopiana, natrehin’ny mpiara-miombon’antoka iraisam-pirenena rehetra, […]
Taratra
INDRAY MIJERY
Ho an’ireo miala sasatra any Mahajanga, somary mafy ny fitsokan’ny rivotra ary tombanana hahatratra 55 Km/ora izany raha ny nambaran’ny Meteo. Ahina ny fahasarotan’ny fifamoivoizana an-dranomasina sy faharendrehana an-dranomasina ary ny fikorontanan’ny asa fihariana andavanandro.Voakasiky ny fampitandremana miloko mavo ny eo amin’ny Tanjona Bobaomby hatrany amin’ny tanjona Angotsy. Mahajanga hatrany […]
Tafika Malagasy : Mifampizara traikefa amin’ny Amerikanina
Naharitra herinandro ny fiarahan’ny miaramila mpiasan’ny fahasalamana, Malagasy, nifanakalo traikefa tamin’ny U.S Africa Command (Africom). Nifantohan’ny atrikasa ny momba ny areti-mifindra sy ny fahasalamam-bahoaka. Nidinika mahakasika ny fanatsarana ny rafitra ara-pahasalamana, ny fomba fifehezana ny areti-mifindra, ny fanaovana fitiliana ao anatin’ny fotoana fohy ary ny fiomanana sy ny fandraisana andraikitra […]
Faritra Matsiatra Ambony: Nahazo birao vaovao ny kaominina Andranovorivato
Notokanana ny faran’ny herinandro teo ny birao vaovaon’ny kaominina ao Andranovorivato, distrikan’i Matsiatra Ambony. Misokatra ho an’ireo mponina manodidina ny 39 000 isa ao an-toerana ny fotodrafitrasa izay fampanantenana avy amin’ny Filohan’ny Repoblika. Nanolotra fanaka ho an’ny fotodrafitrasa vaovao ny minisitry ny Mponina hahafahana miasa avy hatrany. Tetsy ankilany, tokantrano […]
Fifamoivoizana Andramasina: Harenin’ny mpitatitra ireo lalana tena ratsy
Maneho firaisankina, mifarimbona ny mpitatitra mampiasa ny zotra mampitohy an’Antananarivo amin’Ambatofotsy hatrany Andramasina iny manamboatra ny lalana hivezivezen’ny fiara. Nanao fanentanana ireo mpitatitra ao amin’ireo kaoperativa mitrandraka iny zotra iny ny filohan’ny kaoperativa, Ravonjinarivo Thomas Richard, mba hahatanteraka ny asa fanamboaran-dalana. Tsipaipaikan’ny mpitatitra, araka izany, no hanaovana ny asa. Izay […]




