Natao kaontinanta mpanondrana akora fototra hatrany i Afrika hatramin’izay, indrindra ny lafiny fambolena sy ny harena ambanin’ny tany. Hanova izany no anisan’ny tena hifantohana nananganana ny Tsenam-paritra aty amin’ny tapany atsimon’i Afrika (Sadc). Amin’izao hanatanterahana ny fihaonana an-tampony, andiany faha-8, eto Madagasikara izao, omen-danja manokana ny hetsika «Herinandron’ny indostrian’ny Sadc», […]
Taratra
Tsena andavanandro: Nihena 150 Ariary ny kapoakan’ ny vary
Mbola foto-tsakafo tsy afaka miala amin’ ny fiainan’ny Malagasy ny vary. Nahitana filatsahana ny vidin’izany eny an-tsena, araka ny fidinanana ifotony teny Antanimena. Anisan’ireo entana andavanandro ahitana fiovam-bidy ny vary. Araka ny fanadihadiana natao omaly, teny amin’ny tsena andavanandro iray, teo Antanimena, nahitana fihenana eo ho eo amin’ny 150 Ariary […]
TARATRY ny KANTO
Laharana fahatelo ilay horonantsary “Sitabomba”, notontosain’i Lova Nantenaina, nandritra ny “Festival Africajarc 2025”. Mitombo hatrany ny fankasitrahana iraisam-pirenena azon’ity horonantsary ity, nanomboka tamin’ny taona 2023 nivoahany. Hetsika iray ho an’ny kolontsaina afrikanina, fanao any Cajarc, any Frantsa izy ity, izay ahitana fampirantiana, fifaninanana sy fandefasana horonantsary, fampisehoana, sns. Hisy atrikasa […]
Fivoaran’ny fiarahamonina : Miteraka fampandrosoana ny harena ny fahasamihafana
Na samy Malagasy aza, samy manana ny kolontsainy, samy manana ny fombany, samy manana ny rano nandroany… Io harena ny fahasamihafana io no tokony hiteraka ny fifanajana. Hasina lehibe ho an’ny kolontsaina malagasy ny fananana azy ireny, satria, maneho fivelarana avy hatrany. Izay tsy hita any avaratra, tazana any atsimo. […]
“Libertalia Live”: Hizara ny “Deep South Style” ry Da Hopp
Tarika zokiny indrindra sy mihetsika indrindra koa. Mbola miaina sy mampiaina tanteraka ny rap gasy ry Da Hopp. Manohy ny ketrika sy mizara hatrany ihany koa. “Mbola ireo ry zalahy!” Nahateny izany avokoa izay nijery ny fampisehoana nataon’ny Da Hopp, nandritra ilay hetsika fahatsiarovana ireo niharan’ny lozam-piaramanidina, izay natao ny […]




