Taratra

Taksiborosy nivadika : Mpandeha 12 naiditra hopitaly

Tapa-tanana ny renim-pianakaviana 76 taona ary tapaka fe ny lehilahy 23 taona ni­ha­ran’ny lozam-pifamoivoizana teo amin’ny lalam-pirenena fa­hafito, 7 Km tsy hiditra ny ta­na­nàn’Ambositra, omaly ma­raina. Niainga avy any Van­gain­drano io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’Antana­narivo Reni­vohitra. Nifandona tampoka ta­min’ny fiara iray hafa avy any Toliara ilay taksiborosy. […]

Ampefiloha: Mpangalatra tratran’ ny fokonolona

Mpangalatra entana anaty fiara mipetraka eny Ampefi­loha nifanenjehan’ny fokonolona, afakomaly. Mijerijery ireo fiara heveriny ho tsy misy mpiambina eny an-toerana, ma­nokatra tampoka ny varavarana, io lehilahy io ary mangalatra ireo fitaovam-pihainoana toy ny autoradio. Tsika­ritry ny manodidina io fihetsik’ilay lehilahy io. Niray hina avy hatrany izy ireo ka nifanenjehana ilay […]

Lehilahy novonoim-badiny: Notontain-dramatoa vato ny filahiany

Hita faty tao an-tanimbary ny raim-pianakaviana iray, afakomaly. Ahina ho tompon’antoka ny vadiny. “Notontaiko vato ny filahiany, novelesiko hazo ny lohany”, hoy ny fitantarany tamin’ny mpanao famotorana. Nitangoronan’ny alika, lehilahy iray hita faty efa simba tanteraka tao amin’ny tanimbary iray amin’ny fokontany Ambodiala, kaominina Maromitety I, distrikan’i Marolambo, ny 27 […]

Lakandranon’i Pangalana : Havokavoky ny toekaren’ny faritra amorontsiraka

Anisan’ny lakandrano lava indrindra eto Madaga­si­ka­ra i Pan­ga­lana, izay mampifandray faritra telo, ny faritra Atsinanana, Fi­to­vinany ary Atsi­mo atsinanana. Mandalo sy mamakivaky distrika miisa 13 izy io raha miisa 51 kosa ny kaominina lalovany. Ma­hatratra hatramin’ny 470 km ny refiny raha avy eo Manan­gareza, izay misy ny port Fluvial -Toamasina […]

VAOVAO TAMBATRA

Nitohy tany Momperabe, distrika Maintirano, ny fanentanana ny mpitrandraka madinika harena an-kibon’ny tany, ny 24 jolay teo. Tanjona, ny hampidirana azy ireo amin’ny sehatra ara-dalàna. Nampahafanta­rina ny lalàna, ny zon’ny mpitrandraka, ny teknika fitrandrahana sy ny fanajana ny kalitao. Tsy azo atao ny mampiasa zaza tsy ampy taona. Miasa andro […]