Ho vehivavy ny governoran’ny faritra Ambatosoa, izay faritra faha-24. Afaka fotoana fohy no hanendrena an’izay governora izay, araka ny fampanantenan’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry, tamin’ny fidinana ifotony tany an-toerana, ny faran’ny herinandro teo. Efa eo an-tanany ny mombamomba ireo vehivavy telo kandidà amin’izany. Vita fianianana teo anivon’ny fitsarana ambaratonga voalohany, […]
Taratra
Depiote Rakotondrasoa Fetra: “Tsy famonoana afo ny fanaovana serasera”
“Ny minisitra isan-tokony lasa mieritreritra fa mpamono afo ny seresera. Ahitsy izay fa tsy izany ny seresera fa zavatra nianarana io, ary atao amin’ny fomba matihanina”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny vaomieran’ny serasera eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny depiote Rakotondrasoa Fetra, manoloana ny resabe mandeha ny amin’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza. […]
Mamono afo!
Tena mahatsiravina ilay filalaovana politika eto amin’ny tanàna. Tsy misy andro mihiratra tsy ahazoana vaovao miiba mahakasika ireo mpikirakira izany. Zary fifamotehana noho ny resa-bola sy valifaty manokana sisa no azo hamaritana ilay politika. Tsy vitan’izay fa misy mahavita mamoron-dainga hanaratsiana ny hafa. Tsy ny fiarahamonina ihany no simba eto […]
Minisitra Rasata Rafaravavitafika : “Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara”
Nampiantso ny ambasadaoron’ny Vondrona eoropeanina ny minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, ny faran’ny herinandro teo. Nampahatsiahiviny, nandritra izany, fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. “Nahazoako nampahatsiahy taminy izany fotoana izany fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Malalaka amin’ ny safidy ataony koa i Madagasikara eo amin’ny lafiny fifandraisana iraisam-pirenena”. […]
TSELATRA
Mpivady mpivarotra rongony voasambotry ny zandary eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy, tao Ambodivoanjo, omaly maraina. Nasitrik’izy mivady tao anaty tany ny entana amidiny. Fiara miisa telo tra-doza teny Ikianja, kaominina Ambohimangakely, omaly. Nifandona tamin’ny fiara an’olon-tsotra ny taxi-be iray sy taksiborosy iray hafa. Nodoran’ny jiolahy ny trano rehefa tsy nahita olona […]




