Nihaona mivantana tamin’ireo sefo fokontany 192 manerana ny boriborintany enina ny ben’ny Tanàna, Ramanantsoa Harilala, mialoha ny handrafetana ny rafitra ifotony ifanakalozana, SLC. Tamin’izany no nilazany tamin’ireo mpivory fa ny fametrahana io rafitra io no hiaingan’ny fampandrosoana. Haverina ny fifanaraham-piaraha-miasa rehetra amin’ireo paompim-pokonolona sy ny toerana fanasan-damba. Ireo sefo fokontany […]
Taratra
Ady amin’ny famarinana olombelona: Heloka bevava miseho amin’ny endriny samihafa
Fanandevozana maoderina, fanondranana olona antsokosoko…. Tena misy ary voafaritra ho heloka bevava izany. Mitaky fahatongavan-tsaina sy fahasahian’ireo izay iharan’izany na mahita ilay tranga. Homarihina rahampitso, eny Ivato, ny Andro maneran-tany iadiana amin’ny famarinana olombelona. « Ny famarinana olombelona dia heloka bevava, aoka hatsahatra ny fanararaotana ». Io ny lohahevitra voizina mandritra ny […]
VAOVAO TAMBATRA
Tonga ao an-tampon-tanànan’i Taolagnaro ny fandrarahana godirao ny RN-13, miainga avy any Ambovombe. Tetezam-by vitsivitsy sisa no hasiam-panamboarana ato anatin’ny 3 volana, vinavinaina ho vita tanteraka amin’ny faramparan’ny volana oktobra, ka ao anatin’izany ny tetezana Ranopiso, maherin’ny 100 metatra. Manana tanjaka 1 MW ny tobim-pamokarana herinaratra mandeha amin’ny herin’ny masoandro, […]
Fambolena: Manohana ny tetikasa vary safiotra ny FAO
Nitsidika ny Foibe fitaratra mahakasika ny famokarana masomboly vary safiotra eny Andranovaky Mahitsy, ny tale jeneralin’ny Fikambanana iraisam-pirenena ara-tsakafo (FAO), ny Dr. Qu Dongyu, ny sabotsy 26 jolay teo. Nitarika azy teny an-toerana ny Sekreteram-panjakana misahana ny Fahaleovantena ara-tsakafo (SESA), Rtoa Razanamahefa Tahian’Ny Avo sy ny mpiara-miasa aminy. Nojerena manokana […]
Fizahantany: Nivoaka ny boky « +261 Expériences Madagascar »
Nampahafantarina ny 25 jolay teo ny hamoahana ny boky torolalana ho an’ny fizahantany «+261 Experiences Madagascar». Manantontosa azy ny Ofisim-pirenena ho an’ ny fizahantany eto Madagasikara (ONTM). Mirakitra ireo toerana mahaliana sy miavaka ara-pizahantany eto amintsika ity boky ity. Nambaran’ny tale mpanatanteraka ao amin’ny ONTM, Barivelo Danny, fa tanjona ny […]




