Notanterahina tamin’ny fomba manetriketrika, tao amin’ny Tendrompitsarana miady amin’ny kolikoly (Pac) Mahajanga, ny herinandro teo, ny lanonam-pitsarana nametrahana amin’ny toerany ny lehiben’ny Fampanoavana ambony, Ranorine. Namelabelatra mazava ity lehiben’ny fampanoavana ambony vao napetraka amin’ny toerana ity ny amin’ireo kinasa sy vina ary koa ny paikady hirosoana amin’ny fanatanterahana ny andraikitra […]
Taratra
Mifanapoizina an-toerana
Mbola ao anaty fahasahiranana lalina ny vahoaka amin’izao! Tsy fandriampahalemana, fidangan’ny vidim-piainana, tsy fisian’asa… Tsy mafy ady fa miady mafy. Amin’izany, saika fitanana fahavelomana sisa no zava-dehibe sy vitan’ny maro: rehefa tsy maty, dia izay. Izany aza efa manahirana. Efa mba misy fihatsarany ve ny fiainam-bahoaka amin’izay ataon’ny fitondram-panjakana? […]
IFI : “Adihevitra misokatra ny fe-potoam-piasan’ny filoha”
Naneho ny heviny momba ny fotoam-piasan’ny filoha ny sekretera jeneralin’ny Vovonana Ifi. Malalaka ny fanehoan-kevitra momba izany, araka ny nambarany. “Misokatra ny adihevitra demokratika ny amin’izany”, hoy ny sekretera jeneralin’ny Vovonana Isika fikambanana miara-dia amin’i Andry Rajoelina (Ifi), ny pasitera Razafindramanitra Nestor, ny amin’ny filazan’ny olom-boafidy iray tany amin’ny faritra […]
TSELATRA
Mpanendaka sady mpamaky trano miisa fito lahy voasambotry ny zandrimaria ao amin’ny tobim-paritra Itaosy, omaly. Nanaovan’ireo olon-dratsy ireo ny asa ratsiny avokoa iny faritra iny toy ny tao Avaratsena sy hôpitaly, hatrany Antanivory. Lehilahy nahatrarana vola sandoka naiditra am-ponja taorian’ny fampanoavana ny zoma 18 jolay teo. Nametraka fitoriana teny anivon’ny […]
Minisiteran’ny Fitsarana: Hohadihadiana ilay tompom-pety
Mitohy ny raharaha fitsarana mahakasika ny tranga fanapoizinana nahafatesan’olona miisa 31 nandritra ny fankalazana ny tsingerin-taona teny Ambohimalaza, ny 14 jona lasa teo. Hiatrika fanadihadiana tsy ho ela ny tompom-pety sy ny fianakaviany, raha ny fanambarana nataon’ ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomamonjy Benjamin Alexis, afakomaly. Efa nisy nitory ihany koa […]




