Taratra

Fiahiana ny ankizy sy tanora : Mijoro ny Consortium Kilonga Manonga

Miahy ny ankizy marefo sy mampisitraka zo ho azy ireo ny Consortium Kilonga Manonga. Mivondrona ireo fikambanana hanatratra ny tanjona sy hitady mpiara-miombon’antoka maharitra. Miahy ny ankizy marefo sy mampisitraka zo ho azy ireo ny Consortium Kilonga Manonga. Nampahafantarina omaly, teny Anosy, ny fijoroan’ny Consortium Kilonga Manonga, sehatra iray ivondronan’ireo […]

VAOVAO TAMBATRA

Handray anjara amin’ny salon « solidarissimo » atao ao Colmar, Alsace-France, i Madagasikara. Hetsika tafiditra ao anatin’ny « Salon international du tourisme et des voyages (SITV) », natokana ho an’ny fizahantany maharitra sy mirindra. Atao ny 7 ka hatramin’ny 9 novambra izao ny hetsika, hahafahan’i Madagasikara mampahafantatra ny hakanton’ny Nosy sy hampiroboroboana indray ny […]

Fandaharanasa PLAE IV : Fahombiazana ny tany amin’ny faritra Sofia

Nanomboka ny taona 2017 hatramin’ny taona 2022 ny Fandaharanasa iadiana amin’ny fihotsahan’ny tany, andiany fahefatra (PLAE IV). Teo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), novatsian’ny firenena Alemà, tamin’ny alalan’ny KFW ara-bola. Fa­ritra efatra no voakasiky ny fandaharanasa: Amoron’i Ma­nia, Masiatra Ambony, Iho­rom­be ary Sofia. Tanjona ny hiarovana ny […]

Famatsian-jiro : Miverina ny fahatapahan’ny herinaratra

Tao anatin’ny andro vitsy, lasibatry ny fahatapahan-jiro ny ankamaroan’ny fokontany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Omaly, efa intelo tapaka farafahakeliny ny herinaratra, izay samy naharitra manodidina ny ora roa avokoa. Mbola tsy tafiditra ao anatin’izany ilay fahatapahana maharitra ny hariva. Nilaza ny Jirama fa miiba tanteraka ny haavon’ny tohodranon’Andekaleka izay […]

Vola 7 miliara Ariary tsy voaverina: Nanomboka ny volana mey 2024 no tsy nahaloa trosa ny SMGD

Nitondra fanazavana momba ny resa-bola eo anivon’ny Cnaps ny tale jeneraly, Rahaingonjatovo Vimbina, omaly, tetsy Ampefiloha. Anisan’ny noresahiny ny manodidina ilay vola 11 miliara Ariary, nindramin’ny SMGD. Nanambara ity tomponandraikitra ity fa ho alain’ny Cnaps ny So­ciété municipale de gestion digitale (SMGD), raha tsy voaloa ny 7 miliara Ar ambiny. […]