Taratra

Nosy Be Hell-Ville : Olona telo voasambotra

Vehivavy roa sy lehilahy iray nosamborin’ny zandarimaria miasa ao Nosy Be, omaly. Mpanamparitaka horonantsary mamoafady ary manolana zaza tsy ampy taona mihitsy ireto voasambotra ireto. Mifampiresaka amin’ny teratany vahiny amin’ny alalan’ny tambajotran-tserasera ny vehivavy iray ka amidiny ireo horonantsary namboariny. Tsy olon-kafa fa anisan’ireo zaza lasibatra tamin’io fihetsika mamoafady naparitak’izy […]

Ambatondrazaka : Mpivady niara-hita faty tao an-tranony

Mpivady hita faty tao amin’ny trano fonenany tao Antsahalava Ambatondrazaka, omaly. Niara-nisakafo tamin’ny zanany vao 5 taona monja izy mivady ny alin’ny sabotsy hifoha omaly alahady. Voalaza ho nihinana sakafo tsy fihinana na­tao laoka, renim-pianakaviana sy ny vadiny hita faty tao an-tranony, tao An­tsa­halava Ambatondrazaka, oma­ly maraina. Nahandro karazana voan-javatra […]

Andro faha-2 ara-tsiantifika : Nomarihin’ny AMMS tamin’ny famelabelaran-kevitra

Tsy afaka misaraka ny fanatanjahantena sy ny fahasalamana. Antoka lehibe ho an’ny atleta ny fananana izany ary mila fanaraha-maso ny atleta iray raha te hahazo vokatra tsara. Izany indrindra no antony nikarakaran’ny AMMS (Association malagasy de la médecine du sport) ny famelabelaran-kevitra ny alarobia 16 jolay lasa teo, teny amin’ny […]

SOMBIM-BAOVAO

Hotanterahina any Toamasina, ny 2 hatramin’ny 9 aogositra izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja volley-ball, sokajy latsaky ny 16 taona sy latsaky ny 23 taona, lahy sy vavy. Hitiliana izay hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika any Tonizia, ny 24 hatramin’ny 31 aogositra izao, ny fifaninanana ho an’ny U16, […]

Rugby – «Awards Trophy» : Notolorana amboara ireo mendrika

Natao tetsy amin’ny Kianja Makis Andohatapenaka, omaly, ny fanolorana amboara ireo mendrika «Awards Trophy» ho an’ny kaomisionina Analamanga Rugby. Ity rafitra ity izay nisahana ny fiadiana ny ho tompondaka noho ny tsy mbola fisian’ny seksionina. Raha tsiahivina, nanomboka ny 5 oktobra 2024 ny fifaninanana ary nifarana ny 13 avrily 2025. […]