Fikambanana vehivavy mpankafy sy mpilalao ny taranja Échecs ny “Chess Her Way”, izay nitsangana tamin’ny fomba ofisialy, ny sabotsy lasa teo. Nampahafantatra izany, teny amin’ny IFM Analakely, ireo mpikambana. Tanjona ny hanentana sy hampianatra ny Échecs mba ho fampiroboroboana ny taranja, araka ny nambaran’ny solontenan’izy ireo.Tsy mifidy fiaviana na sokajin-taona […]
Taratra
Rugby: 10 taona nanabeazana ny Mang’Arts
Nakotroka ny ivon’ny fankalazana ny faha-10 taonan’ny fileovana Mang’Arts, taranja rugby. Lanonana notanterahina tetsy Manjakaray, toerana misy ny klioba, ny sabotsy lasa teo izy ity. Nantomboka tamin’ny «carnaval» nitety ny tanàna, avy eo nitokana ny tsangambato teo amin’ny EPP Manjakaray. Notsiahivin’ny filohan’ny Mang’Arts, Herisoa Philippe Olivier (Didy), fa niainga tany […]
DAKA AN-JORONY: Aza manao fiavin’ ny reniomby jamba
Toa zary sotrobe hazo ity ny kianjaben’ny Mahamasina. Very tsy mahataitra, hita tsy mahafaly. Hiatrika fifaninanana indray mantsy ny Barea de Madagascar, afaka volana iray mahery. Toa tsy mahataitra ny mpankafy intsony ny handre atsy ho atsy fa tsy mahazo fankatoavana indray io fotodrafitrasa io, ka any ivelany indray mifankahita. […]
Baolina kitra – Yas amboaran’i Madagasikara: Nivoaka ho mpandresy ny Elgeco Plus
Norombahin’ny Elgeco Plus ny Yas amboaran’i Madagasikara, taranja baolina kitra. Resin’izy ireo, teo amin’ny famaranana, ny AS Fanalamanga. Pao-droa ity ekipan’Analamanga ity satria efa nahazo ny anarana maha tompondaka ihany koa ry zareo. 8 taona taorian’ny nahazoan’ny Cnaps Sport ny amboara sy ny tompondaka vao nisy ekipa nanao pao-droa indray. […]
Toromariky ny filohan’ny Repoblika: Hatao fanta-bahoaka ny vola homena ny atleta
Manomboka izao, havoaka ho fanta-bahoaka ny vola tohana ho an’ny federasionina misahana ny fanatanjahantena. Tafiditra amin’ny ady hamongorana ny kolikoly, voalazan’ny vinan’ny filohan’ny Repoblika izany. Hisorohana ihany koa ny fanaratsiana ny fitondram-panjakana ataon’ny zatra ny lalan-dririnina. Nampahafantarina imaso imaso, tetsy Ambohijatovo, birao’ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena, afakomaly, ny fanomezana […]




