Taratra

TARATRY ny KANTO

La Teinturerie Ampasanimalo, nanan-karena zavakanto ny faran’ny herinandro. Vao nigadona ny zoma hariva teo, efa nafana ny toerana, nandritra ny fampisehoana notontosain’ny tarika Driwna. Notohizana tamin’ny fiverenan’i Môta Soa an-tsehatra izany ny sa­botsy alina. Niova kely, satria fampisehoana dihy “Open Mind Battle” kosa ny alahady, niarahana tamin’ny Jack’ Dad. Tetsy […]

“Tafan-gilita” – Prime 2 : Mihamafy ny fifaninanana, 25 no tafakatra

Kely dia kely ny elanelan’isa teo amin’ireo mpifaninana. Hita ho sahirana ihany ireo mpitsara ilay fifaninanana “Tafan-gilita”, nandritra ny dingana faharoa na ny Prime 2, ny asabotsy maraina teo, teny amin’ny Tanàna Zoari Ilafy. Nandalo tsirairay teo anoloan’i Mbola Talenta, Tojo Guitaris­te, Teddy ary i Jovin ireo mpifaninana 40, samy […]

“Mega Live Yas”: Nanapoaka ny team Rwikordz

Maro ireo mpanakanto nalahatra, saingy nisongadina kokoa ireo taizan’i Davalt Rwikordz… Samy nahatsapa izany ireo mpijery tonga nanatrika ny “Mega Live Yas”, izay notontosaina tetsy amin’ny Kianja Barea Mahamasina, ny alin’ny zoma teo. Avy hatrany dia i Parish no nanokatra ny fampisehoana, niaraka tamin’ireo hirany hain’ny mpijery rehetra. Na­naraka avy […]

Hetsika fahatsiarovana: Feno fihetseham-po ny sehon-dry Rossy, Mily Clément, Da Hop

Fankalazana telo sosona, nomarihina tamina seho goavana iray. Samy nizara fihetseham-po ireo mpanakanto nosafidiana manokana, nanafana ny Coliseum. Fanamby tontosa iny ho an’ny Vision Madagascar. Tamin’ny 6 ora, hanomboka ny seho, mbola vitsy ny mpijery… Voka­tr’ilay niova toerana ve? Satria tokoa mantsy, saika teny Anta­­ninarenina no nanaovana ity seho ho […]

FANTINA sy FINTINA

Maherin’ny 20 ireo fikambanana na antoko politika nahatonga ny tolokevitra ho fanatsarana ny fifidianana, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny Ceni, ny faran’ny herinandro teo. Efa nifarana ny zoma teo rahateo ny fe-potoana farany ahafahan’ny Ceni mandray izany. Handinika ny momba izany izy ireo mialoha ny fikaonandoham-pirenena amin’ny taona ho avy. […]