Mafy sy sarotra ny toe-draharaham-pirenena amin’izao. Tsy azo antoka hoe mandra-pahoviana; eny, na aza ny fe-potoana roa taona. Miankina amin’ny fahavononana sy fahamatorana ny raharaha. Nefa eo ny fifanomezan-tanana, fifampitokisana, fitozoana… Fanavaozana na fanorenana ifotony no atao. Hatraiza? Mby amin’ny hoe izay miova no afa-kanova, izay vaovao na manana […]
Taratra
Fanapahan’ny governemanta : Niala tsy ho mpitarika ny Sadc i Madagasikara
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny fiadidiana ny fanavaozana ny Repoblika, ny sabotsy teo. Nisongadina amin’izany ny momba ny andraikitr’i Madagasikara eo anivon’ny Sadc. «Nanapa-kevitra ny governemantan’ny Repoblika fa hiala amin’ny fiadidiana ny Sadc. Andraikitra noraisina ny 17 aogositra teo tamin’ny fihaonana an-tampony nataon’ireo filoham-panjakana eo anivon’ny Sadc izany », hoy ny […]
TSELATRA
Kilan’ny afo tanteraka ny trano maherin’ny 40 isa tany amin’ny kaominina Ambinanisakana, distrikan’i Soanierana-Ivongo, Faritra Analanjirofo, afakomaly maraina tamin’ny 10 ora. Tsy fantatra ny antony niaingan’ny afo fa tsy nisy olona tao an-tanàna. Niitatra ny afo noho ny aherin’ny rivotra ka namely ireo trano maro ireo. Tsy nisy ny naratra […]
Nidona tamin’ny kamiao: Lehilahy iray namoy ny ainy, roa hafa naratra
Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ny lalam-pirenena fahafito iny, ny zoma tolakandro, tamin’ny 3 ora sy fahatelony lasa teo. Nitranga tany Ampangabe, Analamanga Park ny loza. Nidona mafy tamin’ny kodiaran’ny fiarabe mpitatitra entana, nifanena taminy, ny moto iray. Naratra mafy, vokatry ny dona nahazo azy ny lehilahy 25 taona, […]
Sodiat Borosy Talatamaty: Nosavain’ny mpitandro filaminana
Nosavain’ny mpitandro filaminana ny Sodiat Borosy tetsy Talatamaty, ny sabotsy lasa teo. Nanatanteraka izany, ny mpitandro filaminana izay nisaron-tava sy nirongo fitaovam-piadiana, raha ny loharanom-baovao voaray avy eny an-toerana. Nanomboka tamin’ny 4 ora tolakandro hatramin’ny 6 ora hariva tany ho any ny fisavana. Efa niantso polisy ny tomponandraikitra tao amin’io […]





