Mirefy 8 km ny lalana tsy maintsy vita godirao, mialoha ny fivoriamben’ny Sadc hatao eto Antananarivo amin’ny 17 aogositra ho avy izao. Io no toromarika nomen’ny minisitry ny Asa vaventy, raha nijery ifotony ny fanamboarana ny arabe migodana eny Tsarasaotra, omaly. Hampiana ny isan’ny mpiasa andro sy alina, hampiana ny […]
Taratra
Seranam-piaramanidina Ivato : Nitarina ny fikarakarana ny zotra anatiny
Nafindra eny amin’ny toerana nikarakarana ny zotra iraisam-pirenena teo aloha, ny zotra anatiny eny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato Antananarivo, nanomboka ny 2 jolay 2025 teo. Nitarina ny velaran’ny toerana, izay lasa 1 076 m2 raha 353 m2 taloha. Ao anatin’izany ny fandraisana ny mpandeha vao tonga sy ny fikarakarana ny entana, […]
Fiovan’ny toetr’andro : Hiaro ny morontsiraka ny tetikasa PAZC-2
Nampahafantarina, omaly, teto Antananarivo, ny tetikasa Fiarovana ny rohivoahary any amin’ny morontsiraka eto Madagasikara (PAZC-2). Manatanteraka azy ny Birao nasionaly ny fiovan’ny toetr’andro sy ny Redd+ (BNCCREDD+), famatsiam-bola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny firenena andalam-pandrosoana (FPMA), ao amin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny firenena Mikambana ho an’ny tontolo iainana (PNUE). Nambaran’ny mpandrindra nasionaly […]
Korontana tany Toliara : Miverina amin’ny laoniny ny filaminana
Nanao fihetsiketsehana nataon’ny fikambanana Mazoto, ny herinandro lasa teo, nanohitra ny tetikasa Base Toliara. Niverina amin’ny laoniny ny filaminana, ary mitohy ny asa fampandrosoana. Tranga niniana natao. Nokorontanin’izy ireo ny asa fanarenana ny sekoly EPP Benetse, sy ny fanamboarana fotodafitrasa rano madio any Saririake, vatsian’ ny Fiarahamiasa japoney (Jica) ara-bola, […]
INDRAY MIJERY
Atrikasa fanadihadiana roa no natao tany Antsirabe momba ny tsy fahampian-tsakafo mahery vaika, izay mandrakotra distrika 32. Any Atsimo (16 distrika), Atsimo Atsinanana (11 distrika), ary faritra sasantsasany any Atsinanana (4 distrika) sy any Avaratra Atsinanana ( distrika tokana). Manampy izay ny tsy fanjarian-tsakafo mahasahana distrika 12 any Atsimo sy […]




