Taratra

« Génération 2000 », andiany fahatelo: Hiverina an-tsehatra koa ry Imagine, Eric Tahiana…

Hanjaka ny fahatsiarovana any ambadiky ny 20 taona lasa. Maromaro ireo mpanakanto nanana hira nanamarika ny taona 2000 no hiverina indray. «Ho feno fihetseham-po satria hihaona indray amin’ireo mpankafy anay taloha sy hatramin’izao », hoy i Fanja. Mandrafitra ny tarika Imagine miaraka amin’i Mamie izy, izay nalaza tany amin’ny fiandohan’ny taona […]

VAOVAO TAMBATRA

Nahazo famatsiam-bola 211,5 tapitrisa dolara avy amin’ny Banky iraisam-pirenena i Madagasikara. Hoentina hanamafisana ny fotodrafitrasa manoloana ny loza voajanahary, indrindra ny tondradrano sy ny rivodoza io vola io. Anisan’izany ny hanarenana ny tetezana Mahavavy sy Ifasy (RN6), fanomanana tetezam-by vonjimaika, sns. Mora sy mateza kokoa ny fampiasana arina ekolojika miohatra […]

Red Circle: Navondron’ny Airtel ireo mpisehatra niomerika

Naneho ny maha mpiara-miombon’antoka amin’ireo orinasa vonona hampivoatra ny tontolon’ny niomerika ny Airtel Business. Nampahafantarin’ ny sampana fandraharahana, Airtel Business, tamin’ny fom­ba ofisialy ny 24 jona teo, ny vovonana Red Circle. Sehatra iray hivondronan’ny mpitarika, ny mpandraharaha ary ny mpanapa-kevitra, izay mitovy tanjona. Hampifandraisana ny faharanitan-tsaina, ny fanadihadiana ary ny […]

Fahasahiana sy finiavana  

Miakatrakatra ny maripana sy ny tsindry ataon’ny olona amin’ny tambajotran-tserasera mahakasika ny resaka fanapoizinana teny Ambohimalaza ka nahafatesana olona 29 ary mbola misy 24 miady amin’ny fahafatesana. Mifamahofaho diso tafahoatra ny vaovao ka mila mangaraharaha kokoa. Efa manao izay ho afany ny mpitondra fanjakana amin’ny alalan’ny manampahaizana fa mbola tsy […]

Fiaraha-miasa amin’ny MFFT: Mamaha ny olan’ny fananantany ireo injenieran’ny topo

Noraisin’ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Andriantsitohaina Naina, tetsy Anosy, ireo mpikambana eo anivon’ny Birao vaovaon’ny sendikan’ny injenieran’ny fandrefesan-tany (SisTM). Niompana amin’ny fiaraha-miasa ny dinika. Nisongadina tamin’ny fihaonana ny fahavonon’ireto “Syndicat des ingénieurs des services topographiques – SisTM” ireto hi­ara-hiasa akaiky amin’ny MF FT. Tafiditra amin’ny […]