Taratra

Maison centrale Sainte Marie : Hahazo fiofanana arakasa ireo voafonja

Tontosa ny fiandohan’ny herinandro teo, tao Sainte Marie, ny hetsika “Fijery Hafa”. Iray amin’ireo tetikasa entin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ho fanamafisana ny fahaiza-manaon’ny vahoaka izany. Eo koa ny ho fanoha­nana ny asa mendrika eny ifotony. Nitarika ny lanonana ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny fanofanana […]

Ikongo : Tokantrano 4 000 nahazo fanampiana

Andro voalohany amin’ny fidinan’ny ekipan’ny fiadidiana ny Repoblika any Ikongo, omaly. Nisitraka fanampiana avy hatrany ireo tokantrano marefo maherin’ny 4000 any an-toe­rana. Ahitana kojakoja ilaina amin’ny fiainana andavanandro (PPN) izany. Nisahana ny fizarana izany ny avy amin’ny eki­pan’ny fitaleavana misahana ny Raharaha sosialy an’ny fiadidiana ny Repoblika. Iraka avy amin’ny […]

Hetsika JMJC 2025 : Natao hanampy ny tanora sy hanajana ny hafa ny IA

Nomarihina tamin’ny alalan’ny famelabelaran-kevitra sy ny fampahafantarana ny tanora ny Saina voatran’olombe­lona (IA) ny Andro maneran-tany ho an’ny fahaiza-manaon’ny tanora eo amin’ny niomerika (JMJC). Nivoitra tamin’ izany fa ahazoana tombony izany raha voafehy. Nambaran’ireo mpikarakara, ahitana ny Entre­prendre Madagasikara, ny minisiteran’ny Asa, ny OIT, fa ahafahana mivoatra amin’ ny asa […]

Centre Médical Claym : Mikarakara didimpoitra faobe

Hisy ny famorana faobe maimampoana karakarain’ny Centre médical Claym, ny 02 aogositra ho avy izao. Fiaraha-miasan’ity toeram-pitsaboana ity sy ny kaominina Alakamisy Fenoarivo izany. Hatao ao amin’ny Salle d’œuvre an’ny kaominina izany, izay iantsoan’izy ireo ny mponina manana zaza hatao didimpoitra. Araka ny nambaran’ny tomponandraikitra ao amin’ny Claym, mila misoratra […]

Nosy Maorisy : Nanamafy ny fitiavan-tanindrazana ireo Diaspora

Nifamotoana tao an-dRenivohitry ny nosy Maorisy ireo tanora malagasy any an-toerana “Diaspora”, ny herinandro teo. Tafiditra amin’ilay hetsika andiany faharoa iarahana amin’ny MRS Association izany. Nivoitra tamin’ny fihaonana ny fanehoana ny fitiavan-tanindrazana. Nahomby amin’ny ankapobeny ity hetsika “Motivational Speech” ity. Nahavory tanora maherin’ny 40 izany fihaonambe izany. Anisan’izany ireo mpianatra […]