Taratra

Basikety – Analamanga: Hatao ny 27 jolay ho avy izao ny lalao famaranana

Efa miditra amin’ny ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny ho tompondakan’ny ligin’Ana­lamanga, izay hatao etsy amin’ny Kianja Barea Mahama­sina, ny faran’ny herinandro lasa teo. Araka ny fanazavana nomen’ireo tomponandraikitra teny an-toerana, hotontosaina ny 27 jolay ho avy izao, eny an-toerana ihany, ny lalao famaranana ho an’ny sokajy rehetra, amin’ity fifanintsanana ity. Zava-dehibe tokoa […]

Ambohimanambola : Notapahina ny herinaratra, tetikasa «jiro mora »

Notapahina ny herinaratra amin’ireo tariby mitondra herinaratra mankany amina tokantrano maromaro ao amin’ny kaominina Ambohima­nam­bo­la, izay nisitraka ny tetikasa « jiro mora », tetikasan’ny Filo­han’ny Repoblika, Rajoelina Andry. Nohamafisin’ireo mpiasan’ny Jirama tonga teny an-toerana fa hoe tsy manara-dalàna ity tetikasa ity, araka ny fanazavan’ireo mponina ka antony nanapahana ny famatsiana herinaratra nozaraina […]

Kitra – Ligin’Analamanga : Tafakatra amin’ny D2 Nasionaly ny COSPN

Niova tanana indray ny tompondakan’ny ligin’Analamanga tamin’ity taona ity. Lasan’ny COSPN, ny vola 1 tapitrisa ariary sy ny amboara tamin’izany. Voahosotra ho tompondakan’ny ligin’Ana­la­man­ga, taranja baolina kitra, ny ekipan’ny COSPN, ny sabotsy lasa teo, tetsy amin’ny kianja CFFA Iavoloha. La­von’izy ireo, tamin’ny isa, 1 no ho 0, nandritra ny lalao […]

VAOVAO TAMBATRA

Ahazoana tahiry 324 000 L isan-taona, na 1,5 miliara Ar isan-taona ny fisian’ny toby mamokatra herinaratra avy amin’ny masoandro, manana tanjaka 1 MW any Ambodifotatra Sainte Marie. Miantoka ny 70% ny filana herinaratra any an-toerana ity toby vaovao ity, ka ho foana tanteraka ny delestazy. Manodidina ny 1 000 Ar ny vidin’ny […]

Rafitra ara-tsakafo: Mifandray ny famokarana sy ny harena voajanahary

Natao teto Antananarivo, ny 8 sy ny 9 jolay teo, ny dinika nasionaly mahakasika ny fampifandrifiana ny rafitra ara-tsakafo, ny fiarovana ny tontolo iainana ary ny famokarana maharitra. Natao izany entina hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, satria efa miantraika amin’ny seha-pamokarana isan-tsokajiny. Anisan’ny ni­voitra nandritra ny atrikasa, fa zava-dehibe ny fandraisana […]