Taratra

Fiovan’ny toetr’andro: Tanjona ny famatsiam-bola 1,3 miliara dolara

Nandray anjara tamin’ny fivoriana faha-62 nataon’ireo rafitra ao anatin’ny Fifanarahana mahakasika ny fiovan’ny toetr’andro tany Bonn Alemaina, i Madagasikara. Nodinihina ny paikady entina hanalefahana sy hiatrehana ny fiovan’ny toetr’andro, ny famatsiam-bola ilaina, ny fatiantoka sy ny fahavoazana, ny rafitra ara-barotra, ny fahaiza-mitantana, ny fitovian’ny lahy sy ny vavy ary ny […]

Nosy Sainte Marie : Vita tsara ny lalana lava indrindra amin’ny tanàna iray

Vita tsara daholo ny lalana rehetra any amin’ny Nosy Sainte Marie na Nosy Boraha, izay notokanan’ny filoha Rajoelina Andry, ny 11 jolay teo. Tafiditra ao anatin’ny tetikasa Pic2 sy ny Pic3 izany. Namatsy vola ny asa ny Banky iraisam-pirenena (BM) sy ny Tahirimbo­lan’ny Opep ho an’ny fampandrosoana iraisam-pirenena (Ofid). Mampiavaka […]

Distrikan’Ikongo – tazo sy tsy fanjarian-tsakafo: Hadihadiana ny isan-toka-trano

Nanomboka ny sabotsy teo, ny famantarana sy fitsiri­hina ny fahasalaman’ny isan-tokantrano mahakasika ny tazomoka sy ny tsy fanjarian-tsakafo ao anatin’ny distrikan’ Ikongo. Ampiarahina amin’ny fanadihadiana momba ny fananan’ny tokantrano koa ny lay sy ny fomba fampiasana azy. Zava-dehibe tanterahina mandritra ny fitsidihana ny fanamafisana ny fanentanana amin’ny ady amin’ny tazomoka […]

Fampianarana teknika : Nandray ny asany ny talem-paritra vaovao

Tontosoa ny faran’ny herinandro teo, ny fifamindram-pitantana teo amin’ny talem-paritry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa vaovao ao Atsimo Atsinanana, Aina Perle Hortense, sy ny talem-paritra nisolo toerana, Vagnomisy. Tao amin’ny foiben-toeran’ny fitaleavam-paritry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa Farafangana no nanaovana izany. Nanome voninahitra ny governoran’ny faritra Atsimo […]

Kaominina Ikongo : Mitohy ny fanadiovana ny tanàna amin’ny asa tanamaro

Ambany ny toerana misy ny kaominin’Ikongo raha mitaha amin’ny kaominina mifanila aminy. Ao anatin’ny tandavanala Fandriana-Vondrozo no misy ny kaominina ka maitso ny tontolo ary misy rotsakorana saika mandavataona. Mando lava ny tanàna ka manamora ny fisian’ ny moka eny amin’ireo lobolobo. Tafiditra amin’ny paikady iadiana amin’ny aretina tazo ny […]