Taratra

TARATRY ny KANTO

Tafiditra ao anatin’ny fampiarahana ny fialamboly sy ny fanabeazana ary ny fivelaran’ny zavakanto sy talenta. Anio no hanomboka etsy amin’ny Alliance Française Antananarivo, Andavamamba ilay fampianarana zavakanto hiarahana amin’ny Plum’Art, Centre Académique de musique Ramahefason, Kaompania Miangaly ary i Lionel Rabeony. Ankizy eo amin’ny 3 taona ka hatramin’ny 7 taona eo […]

Fivelaran’ny zavakanto: Mbola miankindoha amin’ny vahiny ny Malagasy

Mandray anjara goavana amin’ny fampivelarana ny kolontsaina sy ny zavakanto malagasy ny vahiny. Foibe na trano kolotoraly vahiny no saika ampiasain’ireo mpanakanto malagasy raha te hampahafantatra ny momba azy sy ny kanto ataony. Herin-taona mahery mialoha ny fotoana hanatanterahina ilay seho, efa feno ny fandaharam-potoanan’ireo foibe vahiny ireny. Porofo iray […]

Madagascar Mozarteum : Hiaka-tsehatra ny Icanto

Tafiditra ao anatin’ny andiany faha-161 ny « concert de midi » karakarain’ny Madagascar Mozarteum. Rahampitso, manomboka amin’ny 1 ora ka hatramin’ny 2 ora tolakandro, ao amin’ny Institut Français de Madagascar (IFM) Analakely izany. Hanatanteraka seho tsy manam-paharoa ry zareo avy ao amin’ny Icanto tarihin’i Fitah Rasendrahasina. Haneho ny fahaizana mampiara-peo mandritra izany […]

Vima 25 taona: Eny Antsonjombe ilay seho « Concert hommage »

Azo antoka fa ho maro ny mpijery ho tonga… Mpanakanto sy tarika andrarezina rahateo no hiakatra ny sehatra… Raha teo amin’ny zari­dainan’Antaninarenina no saika nanatontosana ilay seho « Concert hommage ». Nanapa-kevitra ny mpikarakara fa hafindra eny amin’ny Coliseum Antsonjom­be iza­ny. Notazonina hatrany ihany koa ny maha maimaimpoana tsy misy vidim-pidirana azy. […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsikera ilay depiote tany Fianarantsoa nampitenenina ny fe-potoam-piasan’ny filoha Rajoelina Andry ny HVM, amin’ny alalan’ny filoha nasionaly, Rako­tovaoRivo. Nohitsiny fa kolikoly izany. «Rehefa mbola te hirotsaka ny filoha ankehitriny, tokony izy no miteny. Rehefa tapitra dia tapitra. Tsy fanarahan-dalana ny ankoatra izay», hoy izy. Nosokafana ny herinandro teo ny foibe […]