Taratra

Minisitra Mara Volamiranty Donna : “Be ny fanaovana fanoherana bontolo”

“Betsaka ny fanelezana tsaho, fanaovana fanoherana bontolo amin’ny famoahana vaovao tsy marina”. Io ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina sady mpitondra tenin’ny governemanta, Mara Volamiranty Donna, tany Sainte Marie, ny faran’ny herinandro teo. Ny fanomezana vaovao sy antontanisa diso, ohatra, no tena olana tamin’ny tranga tany Ikongo. Raha […]

Vahoaka… tompom-pahefana

  Tsy misy jamba toy izay minia mikimpy, tsy misy marenina toy izay minia tsy mihaino. Arakaraka ny toerana misy ny tsirairay izay? Mbamin’izay ataony, izay kendreny… Tsy mahavita na inona na inona ny fitondram-panjakana, raha ny fijerin’ny mpanohitra sasany? Eo ny vahoaka mahita sy mahatsapa ary mitsara izay iainany: […]

Andro Afrikanina JALCC 2025: Miezaka manenjika ireo manao kolikoly ny fitsarana

Notanterahina ny zoma teo, tetsy Anosy, ny fankalazana ny Andro Afrikanina iadiana amin’ny kolikoly JALCC. Anisan’ny nampahafantatra ny ezaka nataony tamin’izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana. Nambaran’ny tale jeneralin’ny raharaham-pitsarana sy ny fandinihana ny fanavaozana ny lalàna, Rakotondrajery Salohy Noro­tiana, nisolo tena ny minisitry ny Fitsarana ny tenany tamin’ izany. […]

TSELATRA

Tratran’ny olona namaky trano iray tetsy Ambohimanala Andoharanofotsy ny lehilahy iray 50 taona, afakomaly tamin’ny 2 ora sasany maraina. Hitan’ny tompon-trano niditra antsokosoko tao an-tokantrano izy ary nifanenjehana. Tratra teny aminy ny fitaovana famakiany trano. Efa natolotra ny zandary eny Andoharanofotsy ity rangahy ity taorian’izay. Jiolahy raindahiny iray lavon’ny balan’ny […]

Nafenina tanaty fitombenana: Thailandais iray nikasa hanondrana Rubis 59,3 g

Vato sarobidy (rubis) mi­lanja 59,3 grama, tratra tao anaty fitombenana lehilahy thaïlandais iray, tetsy amin’ny seranam-piaramanidina iraisam-pirenena Ivato, afakomaly tamin’ny 1 ora tolakandro. Saika hiondrana tamin’ny fiaramanidina ET852 ho any Addis-Abeba hizotra any Bang­kok izy io saingy izao tratra izao. Nahatsikaritra zavatra hafahafa tao anatin’ny vatany ambany ny zandary miasa […]