Taorian’ny faritr’i Fianarantsoa, hitohy any amin’ny faritr’i Antsiranana indray, ny hetsika lehibe ho an’ny tanora “Youth Connekt 2025”. Araka ny vaovao voaray, hotanterahina manomboka ny 12 jolay ho avy izao, ao amin’ny Gymnase Soafeno, ity hetsika ity. Marihina fa miaraka misalaha amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena […]
Taratra
Fahafatesan’i Lolody : «Efa nandindona azy», hoy ny vadiny sy ny reniny
Anisan’ireo kintan’ny baolina kitra malagasy, nisongadina tany Seychelles, i Lolody. Nodimandry ny 4 jolay lasa teo moa ny tenany, nisy ny fanadihadiana izay natao tamin’ireo akaiky azy, mahakasika ny nahafatesany. “Marobe” , anarana fiantsoana an’Itompokolahy, Malagasy mpanao baolina kitra, 31 taona, mpilaravinahitra tao Seychelles, zanak’i Toamasina avy ao Fenoarivo atsinanana. […]
Hainahandro : Tafatsangana ny « Solidarité mignon »
Tafiditra ao anatin’ny kolontsaina sy zavakanto mampiavaka ny toerana na faritra na firenena iray ny hainahandro. Fantatra fa tafatsangana ny fikambanan’ny mpianatra hainahadro « Solidarité mignon ». Sehatra ampivondronana ireo mpianatra nandalo tamin’ny fanofanana nomen’ny Chef Tsiry Razafimamonjy. Ankoatra ny fampianarana sy fifanakalozana amin’ny fahaiza-mahandro, eo amin’ny tsirairay, napetraka ho zava-dehibe ny […]
TARATRY ny KANTO
“Jazz Friday”’, miaraka amin’i Mitahiry sy i Dô Mee. Hatao ny zoma 11 jolay izao io, ao amin’ny Arboretum Ankorondrano, manomboka amin’ny 7 ora hariva. Anjoria hitetezan’ireto mpanakanto ireto ireo hira nanamarika ny jazz, na vahiny na malagasy izany. Hisokatra ho an’ny mpankafy ny sehatra, na eo amin’ny fihirana na […]
Taom-pianarana 2025-2026: Ankilabao hatrany ny teny malagasy
Hiditra amin’ny taom-pianarana 2025-2026… Mbola tsy tafapetraka ny fampiasana ny teny malagasy ho teny hoenti-mampianatra. Tsy mbola misy didy na lalana na hitsivolana, sns, milaza izany. Ny fanambaran’ny sampandraharahan’ny Firenena mikambana misahana ny fanabeazana sy ny kolontsaina milaza fa « tsy misy firenena handroso avy amin’ny fampiasana ny tenin’ny hafa hoenti-manabe […]




