Taratra

Mpizahatany 1 tapitrisa: Marolafy ny fiomanana amin’ny fotodrafitrasa

Vina lavitr’ezaky ny fitondram-panjakana ny hisarihana mpizahatany miisa 1 tapitrisa amin’ny taona 2028. Notsipihin’ ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana (MTA), Dewa Viviane, fa misy tokoa ny paikady raisina hanatrarana io tanjona io, misandrahaka amin’ny sehatra marolafy marindrano. Anisan’izany ny lafiny fotodrafitrasa, toy ny fanitarana ny seranam-piaramanidina, sy […]

Menabe Antimena : Manohana ny velon- tenan’ny mponina ny ONG Fanamby

Anisan’ny miaro sy mitantana ny Faritra arovana Menabe Antimena (APMA) ny ONG Fanamby. Nihaona tamin’ireo mponina eny ifotony izy ireo, ny 1 hatramin’ny 4 jolay teo, niaraka tamin’ny tomponandraikitry ny Fitantanam-paritry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Dredd) Me­nabe. Nisy ny fifanakalozan-kevitra, nijerena ny fomba entina hanatsarana ny velon-tenan’ny […]

« Zotra Fitaratra »: Hampitohy an’Ankorondrano-Amoronankona ireo fiara vaovao

Ho santarina amin’ny zotra miainga eo Ankorondrano hatreny Amoronankona By Pass ireo fiarabe mpitatitra vaovao. Miisa 22 ny toeram-piantsonana mandroso sy miverina. Hampiasaina ireo fiarabe mpitatitra vao nafarana tonga eto amintsika. Anisan’izany ny fametrahana ny « zotra Fitaratra », miainga eny Ankorondrano mandray ny arabe Marais Masay, mandalo ny Rocade Iarivo, mifarana […]

TSELATRA

Tafakatra 28 ny isan’ny maty tamin’ny fanapoizinana ara-tsakafo teny Ambohimalaza ny, 14 jona lasa teo. Mbola misy olona 13 tsaboina ao amin’ny fameloman’aina ao amin’ny HJRA Ampefiloha hatramin’izao. Rangahy iray 60 taona, tratra nanolana ny zana-badiny vao 13 taona monja. Voaheloka hanao asa an-terivozona mandra-pahafatiny ity farany, taorian’ny fiakarany fitsarana […]

Lonilonim-piarahamonina : Tovolahy nalaina an-keriny sy novonoina

Lasibatry ny fakana an-keriny ny fianakaviana mpandraharaha iray monina eny Iavoloha. Niafara tamin’ny famonoana ny havan’izy ireo (14 taona) izany. Ny 20 jona lasa teo, nosakanan’ny dahalo teny an-dalana tany Ambohi­tsara Manakara, 10 km miala an’i Irondro ny fiara nisy ny raim-pianakaviana iray (mpan­draharaha) sy ny zanak’anadahin’ny vadiny. Tsy afa-nandositra […]