tao . Nisy ny fanomezana fiofanana maimaimpoana ho an’ny tanora sy ny mponina ahafahan’izy ireo manana asa mahavelona ny tenany sy ny ankohonany ary manatsara ny hoaviny amin’ny fananganana tetikasa fihariana. Nisongadina manokana ny fandraisan’anjara mavitriky ny vahoaka. Fahitalavitra sinoa “Divas Hit the Road”. Voafidy ho toerana voalohany amin’ny vanim-potoana […]
Taratra
Faritra Matsiatra Ambony : Mila mizaka tena ara-pihariana ny vehivavy
Nampirisihina ireo fikambanam-behivavy ao Matsiatra Ambony hanangana tetikasa fihariana ka ireo izay mitsangana ara-dalàna sy voafantina no tolorana tantsoroka hoenti-manatanteraka ny seha-pihariana nosafidiany. Miisa 17 ny fikambanana nahazo izany tao amin’ny faritra Matsiatra Ambony nandritra ny fitsidihana. Fampizakan-tena ny vehivavy no tanjona. Arakaraka ny tetikasa no namaritana ny mari-bola natolotry […]
Kaominina Ambavahaditokana : Hisitraka Lycée vaovao ny mpianatra
Hisokatra amin’io taom-pianarana hoavy io ny Lycée vaovao ho an’ny kaominina Ambavahaditokana Itaosy, raha ny fanazavan’ny ben’ny Tanàna, Ratoetrarinanja Jean Louis. Volan’ny kaominina madiodio no hanatanterahana ny fotodrafitrasa. Hisy efitrano 6 hahafahan’ny kilonga misitraka fampianarana aorian’ny fahazoana ny diplaoma BEPC izy ity. Hanampy betsaka ny mponina ny fahavitan’ny Lycée ary […]
Tazomoka any Ikongo : Manamafy ny fanentanana ny BNGRC
Mangorangorana ny vatana, tsy mahazo aina, tsy mahinan-kanina, misy hafanana, mandoa, miha reraka…Toy izany ny karazana fambaran’aretina tazomoka ary itarainan’ireo olona any Ikongo tao anatin’ny roa volana izao. Maty ireo mararin’ny tazomoka rehefa tara loatra vao mamonjy toeram-pitsaboana na tsy tonga manatona dokotera mihitsy. Nanamafy ny mpitsabo any Ikongo fa […]
TARATRY ny KANTO
Mitoetra ny lazan’ny tarika Iraimbilanja. Feno hipoka ny Food Courts La City ny alin’ny zoma teo. Porofo indray iny fa mbola be mpankafy ry Niry sy ny tariny, ary tsy mbola ho ato ho ato no ho lefy izany. Nahitana karazan-taona tsinona, fa tsy hoe ireo mitovy taona amin-dry zalahy […]




