Taratra

« Yas Coupe de Madagascar »: Hanao famaranana ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga

Nafana ny lalao manasa-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, ny faran’ny herinandro teo. Tafahaona indray eo amin’ny famaranana ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Tafahaona eo amin’ny famaranan’ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe 2025 », taranja baolina kitra, ny Elgeco Plus sy ny AS Fanalamanga. Samy nahita fandresena avokoa izy ireo nandritra […]

Barean’i Madagasikara: Barean’i Madagasikara

Navoakan’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF), afakomaly, ny lisitr’ireo mpilalao 42 mirahalahy hanaovan’ny mpanazatra, Rakotondrabe Romuald Felix na Coach Rôrô, sivana, ho an’izay hiatrika ny « Chan 2025 ». Tsara marihina fa efa ao anatin’ny fanomanana ity fifanintsanana afrikanina ity ny Malagasy mpilalao. Tsikaritra tao anatin’ity lisitra ity fa tsy tafiditra anatin’ireo […]

TSELATRA

Lehilahy iray 26 taona tratra nangalatra moto iray mitentina 300 000 Ariary tao amin’ny tokantrano iray tetsy Ankadimbahoaka, omaly hariva tamin’ny 4ora. Niditra antsokosoko tao amin’io tokantrano io io olon-dratsy io ary nangalatra ny entana. Nahatsikaritra izany ny tompon-trano ary niantso polisy. Efa miatrika fanadihadiana eny amin’ny CSP5 izy mialoha […]

Nifanenjehan’ny fokonolona : Dahalo roa lahy maty voatifitra

Lavon’ny balan’ny mpitandro filaminana ny dahalo roa lahy nangalatra omby tao amin’ ny fokontany Amparihy, kaominina Ambano, distrikan’ Antsi­rabe II, ny 4 jolay teo. Nentin’ireo olon-dratsy nandositra ny omby tao am-bala, tamin’ny 11 ora alina. Nanara-dia avy hatrany ny fokonolona sy ny zandarimaria avy ao amin’ny zana-tobim-paritra Andranomane­latra. Nifandona ireo […]