Taratra

Tsy mahazo mamindro

  Tsy vitan’ny miaritra hatsiaka fa mbola mizaka ny hirifirim-piainana Ramalagasy. Mahagaga sy mahavariana fa toy ny nantenain-kanirina indray ity no mainka mampivandravandra, ankehitriny. Toa ankatoavina avokoa ity karazana tsindry sy famotehana ankolaka na mivantana ilay vahoaka madinika ity. Tena mizaka ny tsy eran’ny ainy ara-bakiteny tokoa. Raha ny zava-misy, […]

Fanatsarana fomba fiasa : Nohamoraina sy tsy ela ny fanamarinana fananan-tany

Dingana iray lehibe… Natolotry ny minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Andriantsitohaina Naina, teny amin’ny fari-piadidian’ny Fananan-tany, Antananarivo Renivohitra, Anosy, omaly, ny “Distributeur automatique d’information” (Dai). Vokatry ny fampiasana informatika amin’ny fangatahana taratasy fanamarinana fananan-tany (“certificat de situation juridique”) sy sarintany izany, izay azo ao anatin’ny minitra vitsy. […]

TSELATRA

Raim-pianakaviana iray 45 taona maty voafaokan’ny fiara teny amin’ny lalam-pirenena voalohany, teo Ambatonapoaka, afakomaly alina tamin’ny 7 ora sy 45 minitra. Tsy nahitana taratasy namantarana ny mombamomba azy teny amin’io lehilahy io. Nentina namonjy ny CHRD Arivonimamo ny vatana mangatsiakany. Lehilahy iray karohin’ny zandarimaria eo anivon’ny tobim-paritra Itaosy. Nivadi-pitokisana izy […]

Karana voatafika: Jiolahy roa maty voatifitra

Lavon’ny tifitra nataon’ny ekipan’ny UIR, eo anivon’ny polisim-pirenena, ny jiolahy roa tao Andranomena, kaominina Betsinjaky, distrika Toliara, omaly maraina. Ni­tran­gana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tranombarotra an’ny karana iray tao Bazary Be, ny sabotsy 5 jolay lasa teo. Nanazava ny nanatri-maso fa nitondra basy ny mpandroba tamin’io fotoana io. Naharay loharanom-baovao […]

Fikarohana ara-tsiansa: Nisy nangalatra ny tahirin-kevitra

Nisy namaky ny trano misy ny biraon’ny Fitaleavana misahana ny fikarohana sy ny haivao (DRI) eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, ny marain’ny sabotsy 5 jolay 2025 lasa teo. Novakian’ny jiolahy ny efitrano roa ary lasan’izy ireo tamin’izany ny ordinatera (Unité central) izay nitahiry ny angon-drakitra. Very […]