Taratra

Misaona ny hiragasy: Nodimandry i Zozy, Sahondrafinina zanany

Maloka indray ny tontolon’ny hiragasy… Nodimandry ny sabotsy teo, teo amin’ny faha – 67 taonany, Raza­findranaivo Sahondrafinina, na i Zozy, ho an’ireo akaiky azy. Filohan’ny tropy Sahon­drafinina Zanany Fenoarivo no nahafantaran’ny maro azy, zanakavavimatoan’i Sahon­dra­finina Reniny, vady navelan-dRa-Petit avy ao Ando­havary, izay filohan’ny federasion’ny mpanao hiragasy eto Madagasikara teo aloha […]

Tenisy any ivelany: Voahosotra ho tompondakan’i Frantsa i Antso

Misongadina hatrany! Mbola mampiseho ny heriny amin’ny fifaninanana tenisy any Frantsa, ny faran’ny herinandro teo, ho an’ny sokajy lehilahy, +35 taona, Rakotondramanga Antso, Malagasy mpilalao. Voahosotra ho tompondakan’i Frantsa fanindroany indray ny tenany, rehefa nandavo an’i Louis Quennessen, tamin’ny seta 2 no ho 0, (6/3,6/2), nandritra ny lalao famaranana. Azo […]