Taratra

Mila misikim-ponitra 

  Trangam-piarahamonina miiba maro no mikapoka ny Malagasy amin’izao: loza, fahasahiranana ara-bola, aretina samihafa hatramin’ny ara-panahy aza toa mivaralila andro aman’alina. Tsy hita intsony izay hanaovana azy fa mivadika ambony ambany. Tsy mahagaga raha tonga hatrany amin’ny fifamosaviana sy fahapoizinana mivantana. Tena hoe mihamaizina ara-bakiteny ny zava-misy. Tsy natao ho […]

Filoha Rajoelina Andry : “Efa mahatsapa fampandrosoana ny vahoaka”

Izay tratra ny fitokanana zava-bita amin’izao. Mahita izany ve ny vahoaka? “Efa mahatsapa fampandrosoana ny vahoaka”, hoy ny filoha Rajoelina Andry tany Vohibato, Faritra Matsiatra Ambony, Fianarantsoa. “Ny olona minia mikimpy sy minia tsy mandre, mankanesa ao Vohibato. Fa ny vahoakan’i Vohibato efa mahita sy mandre ary mahatsapa ny fampandrosoana […]

Kly Patrick Rakotomamonjy : Voasazy 20 taona an-tranomaizina

Voaheloka higadra an-tranomaizina 20 taona sazy mihatra ny Kly Patrick Rako­tomamonjy, araka ny didim-pitsarana navoakan’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly. Voasazy folo taona an-tranomaizina ny olona iray hafa voalaza fa mpiray tsikombakomba amin’io manamboninahitra io. Nahazo fahafahana vonjimaika kosa, ireo olona folo hafa. Mijanona ho ankamantatra amin’izao fotoana ny toerana misy […]

Fanafihana fiara : Dahalo raindahiny lavon’ny polisy

Lavon’ny balan’ny polisy tany Analavory, kaominina Beravina, distrikan’i Morafenobe, faritra Melaky, omaly, ny dahalo raindahiny iray. Malaza amin’ny fanafihana fiara mirongo fitaovam-piadiana toy ny basy, sabatra ary lefona ity farany. Omaly maraina, nanafika fiara tsy mataho-dalana iray izy io sy ny namany. Fiara an’ny ONG iray niainga tao Maintirano hihazo […]

Taksiborosy tra-doza: Mpandeha roa maty, am-polony naratra

Zazavavy telo taona monja ny iray tamin’ireo mpandeha miisa roa maty nandritra ny lozam-pifamoivoizana tao Maevatanana, omaly maraina. Nivadibadika nivoaka ny arabe ny taksibrosy iray teny amin’ny lalam-pirenena fahefatra teo Anta­nimalalaka, kaominina Anta­nimbary, distrikan’i Maevata­nana, omaly maraina. Niainga avy any Ambositra io fiara mpitatitra io ary nikasa hihazo an’i Mahajanga. […]