Nosofakana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, omaly, ny hetsika “Festival à voix haute”, “Vehivavy mitafa”. Hetsika karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny faritra Île de France, mpanohana ny hetsika. Tanjona ny hanasongadinana hatrany ny fahaiza-manaon’ny vehivavy. Eo koa ny fisian’ny firaisankina amin’ny fiadiana ny zo eo amin’ny lahy sy ny […]
Taratra
Dibo-drano i Sabotsy Namehana: vaky ny fefiloha an-jatony ny tra-boina
Vaky vokatry ny rotsakorana afakomaly alina, ny fefiloha any amin’ny fokontany Andranomena. Vokany, tokantrano am-polony no traboina sy tsy maintsy nafindra toerana. Vaky ny fefiloha manandrify ny fokontany Andranomena, kaominina Ankadikely Ilafy, ditrikan’ Antananarivo Avaradrano, omaly tamin’ny 4 ora maraina. Nampandre ny zava-misy tamin’ny zandarimaria ny sefo fokontany Andranomena, ka […]
INDRAY MIJERY
Natolotry ny minisitry ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, teny Ankatso II, tamin’ity herinandro ity, ny fotodrafitrasa fametrahana ny lavadrano ho an’ny mpianatra. Niarahana tamin’ireo mpiara-miombon’antoka Communauté musulmane Sunnite de Madagascar (CMSM) izany. Mihoatra ny 5m³ isan’ora ny rano azo vokarina ao an-toerana. Misy fitahirizan-drano mahazaka 18m³ ihany koa. […]
Farmasia: Vehivavy ny 56% amin’ireo matihanina
Vehivavy avokoa ny 56% ireo farmasianina matihanina miisa 400 mahery eto Madagasikara. Mbola ambony koa ny tahan’ny vehivavy manaraka izany lalam-piofanana izany ao amin’ny Oniversiten’ Antananarivo sy Mahajanga. “Manaporofo izany fa mitoetra eo amin’ny fiarahamonina ny firotsahan’ny vehivavy maro eo amin’ny taranja siantifika sy ny asa ara-pahasalamana”, hoy ny Holafitry […]
CFP Foulpointe: Afaka miasa avy hatrany ny mpianatra
Mbola nitohy ny hetsika ataon’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, Rasoloarisoa Marie Marcelline, any amin’ny faritra Analajorofo, omaly. Tao Fenoarivo Atsinanana izy no nanao ny hetsika « Fijery hafa ». Talohan’izay, nitsidika tao Foulpointe ny delegasionina ka maneho ny fahombiazana amin’ny fanofanana tanora ny CFP Foulpointe. Porofon’izany ny fahafahan’ireo mpianatra […]