Taratra

«Salon national des sports»: hisokatra anio, etsy Mahamasina

Hotanterahina etsy Mahamasina, manomboka anio hatramin’ny 30 jona ho avy izao, ny andiany voalohany amin’ny “Salon national des sports”. Hetsika goavana, tafiditra ao anatin’ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenena ho an’ny fanatanjahantena. Anisan’ireo tomponandraikitra voalohany amin’ny fikarakarana izany, ny minisiteran’ny Fanatanjahantena sy ny tanora (MJS), izay tarihin’ny minisitra Marson Moustapha Abdulah. […]

Tsipy kanetibe – “Masters 2025”: mahaliana ny maro ny ekipa malagasy

Nanomboka ny alakamisy 26 jona lasa teo, tany France, ny “Masters 2025”, taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy. Dingana voalohany notanterahina tao ST Gilles – Croix de Vie. Raha tsiahivina, norombahin’ny Malagasy ny amboara tamin’io rehefa nandresy ny ekipan’i Wild Card, tamin’ny isa 13 no ho 5, nandritra ny famaranana. Nampiaiky […]

Judo-Afrika: nahazo medaly volamena Razafindrakalo Natacha

Malagasy mpikatroka 11 mianadahy no misolo tena an’i Madagasikara any Pretoria mandritra ny fiadiana ny amboaran’i Afrika, taranja judo. Medaly volamena iray, volafotsy 1 ary alimo 2 no efa azon’izy ireo. Tamin’ny hafaliana tanteraka no nandraisan’ny judokas malagasy, Ra­zafindrakalo Natacha, ny medaly volamena, nandritra ny fandraisany anjara tamin’ny fiadiana ny […]

Asam-panjakana: nankasitrahana ny minisitera mendrika

Nisy ny loka nomena ireo minisitera mba hampiakarana ny lentan’ny fahaiza-manaon’ny mpiasa ao aminy, nandritra ny fankalazana ny Andro Afrikanina ho an’ny mpiasam-panjakana tamin’ny 23 jona teo. Nahazo ny loka faharoa tamin’izany, ny minisiteran’ny Tanora sy ny fanatanjahantena (MJS), noho ny ezaka vitan’io minisitera tarihin’ny minisitra Moustapha Marson, io. Nahatratra […]

Antso ho an’ny mpitondra afrikanina: mila ampitomboana ny vola hikarakarana ny ankizy

Ho fanamarihana ny An­dro ho an’ny ankizy afrikanina, ny 16 jona lasa teo, nentanin’ny tomponandraikitry ny Uni­cef aty Afrika ny tomponandraikitra na olona manan-danja ao amin’ny firenena misy azy avy hanao sonia taratasy misokatra ho an’ny mpitondra aty Afrika. Votoa­tin’ny taratasy ny haitaky amin’ny tokony hampitomboana bebe kokoa ny sora-bola […]