Fampahatsiahivana, fanamafisana… “Miantso ny olom-pirenena rehetra aho fa ny fampandriana fahalemana sy ny filaminana dia andraikitsika rehetra. Isika no tokony hifanome tanana sy miara-mandray andraikitra amin’ny fampandriana fahalemana sy fitandroana filaminana. Isika no miara-monina eto amin’ity Nosy ity. Aleo isika handrindra ny fiarahamonina misy antsika tsirairay avy”. Io ny nambaran’ […]
Taratra
Fifampiraharahana Nosy malagasy: ny minisitry ny Raharaham-bahiny no hitarika ny delegasiona any Paris
Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, no hitarika ny delegasiona malagasy. Amin’ny fanohizana ny fifampidinihana momba ny Nosy malagasy hataon’ny vaomiera iombonana frantsay sy malagasy any Paris, Frantsa, io, araka ny fanambaran’ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny, afakomaly. Handrafitra ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Jono sy ny toekarena manga, i Mahatante Tsimanaoraty […]
Mpirahalahy nifamaly: notapahan’ny zandriny ny lohan-jokiny
Tonga nitolo-batana tao amin’ny biraon’ny Zandary Antsiranana, omaly tamin’ny 11 ora sy sasany maraina, ny lehilahy iray (16 taona). Tompon’antoka tamin’ny famonoana nahafaty ny rahalahiny (24 taona) tany amin’ny fokontany Ambohimitsinjo, kaominina Diego-Suarez, Antsiranana ny alin’ ny 25 jona lasa teo. Niara-nisotrosotro tany amin’ny trano fisotroana iray tany Befotaka Avaratra […]
Nangorom-bolan’ireo mpivarotra: lehilahy mpisoloky voasambotra
Notanan’ny zandary ny lehilahy nisandoka andraikitra sady nisoloky volan’ny mpivarotra tao amin’ny fokontany Ambaniala, kaominina Ambandrika, distrikan’Ambatondrazaka, ny sabotsy 28 jona teo. Nitondra taratasy hosoka nanehoany fa mpiasan’ny sampan-draharaha momba ny hetra izy. Nasesiny notetezina ireo olon-tsotra tompon-tsena tao an-tanàna nanomboka ny zoma 27 jona. Nisy avy hatrany olona nanome […]
Medaly volamena 3, volafotsy 2 ary alimo 4 azon’ny Malagasy
Tsara ny vokatra ho an’ny Malagasy, nandritra ny fiadiana ny amboaran’ny Afrika, taranja Judo, notanterahina tany Prétoria. Medaly 9 no norombahan’ny judokas malagasy. Tsy mitsanga-menatra ny Malagasy mpikatroka, misolo tena an’i Madagasikara, miatrika ny fifaninanana “Open et Coupe d’Afrique”, taranja Judo, notontosaina tany Pretoria, ny faran’ny herinandro teo. Judokas 3 […]




