Taratra

Novelesin-drainy tamin’ny hazo: nipotsaka ny atidohan’ilay zaza

Nosamborin’ny mpitandro filaminana ny raim-pianakaviana iray namono nahafaty an-janany, tany  Fenoarivo Atsinanana, omaly maraina. Zaza vao herintaona monja, maty tsy tra-drano sady nivoa-dra ny lohany vokatry ny habibiana nataon-drainy. Nentin’ny hamamoana niampy fahasarotam-piaro, novelesin-drangahy tamin’ny hazo ny lohan’io zanany io. Nipotsaka mihitsy ny atidohan’ilay lasibatra. Niezaka nitondra azy teny anivon’ny […]

Nanasaraka olona niady: Zandary maty voakapa famaky

Zandary mpiana-draharaha iray no maty voakapa famaky, ny alin’ny fetim-pirenena, tao Fenoarivobe. Nanasaraka olona niady tamin’ny fety izy. Olona efatra karohina. Nokapain’ny vatan-dehilahy miisa efatra tamin’ny famaky, voa mafy teo amin’ny lohany, ka tsy tana ny ain’ny zandary mpiana-draharaha iray tao amin’ny kaominina Fenoa­rivobe, faritra Bongolava, ny alin’ny alakamisy 26 […]

Izay miasa ihany no ratsy

Miverimberina tsikelikely eny anivon’ny mpanao politika indray ny resa-tseza sy fizaran-toerana. Manomboka miketriketrika indray ry tsy mahandry tantana. Somary nilamindamina izany nialoha ny fankalazana ny fetin’ny Fahaleovantena. Samy nitady fitoniana kosa ny olom-pirenena rehetra. Nisy ireny karazam-boina nisesisesy ireny rahateo nanahirana ny saim-bahoaka. Efa betsaka ny ezaka vitan’ny fitondram-panjakana amin’izao […]

Foloalindahy Malagasy: miara-miasa amin’i Egypte sy Inde

Naneho ny fahavononany hifanome tanana amin’ny Foloalindahy Malagasy ny firenena egyptianina sy indianina. Anisan’ireo firenena manana indostria ary efa mandroso koa amin’ny rafitra fiarovana ireto firenena ireto. Hanampy ny Foloa­lin­dahy Malagasy amin’ny fampitaovana sy hanome traikefa amin’ny fanamboarana sambo i Ejipta. Izay no fantatra tamin’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ireo delegasiona […]