Notanterahina omaly ny fametrahana samboady ireo ben’ny Tanàna miisa 16 eny amin’ny distrikan’Avaradrano. Nanafatra sy nanome toromarika azy ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard tamin’ ny lahateniny. “Mahavelombolo ny mahita ny firaisankina asehon’ireo ben’ny Tanàna na samy manana ny firehan-kevitra politikany aza. Ohatra tsara azon’ireo mpisehatra politika rehetra […]
Taratra
TSELATRA
Zazalahikely mpianatra iray natelin’ny ranomasina tany Sambava, omaly. Nandeha nanao EPS tao amin’ny stade izy sy ireo mpiara-mianatra aminy, raha ny angom-baovao voaray. Nafana ny andro tamin’io ary nandeha nandro tany an-dranomasina izy. Tsy hita izy avy eo fa nalentiky ny ranomasina, tsy hita. Tonga nanao fikarohana azy io ny […]
Rotsakorana 14-19 febroary: Tafakatra 29 ireo namoy ny ainy
Tafakatra 29 ireo olona namoy ny ainy, vokatry ny rotsakoram-be teto amin’ny Nosy, nanomboka ny 14 hatramin’ny 19 feborary lasa teo, raha ny tatitra navoakan’ny BNGRC, omaly hariva. Iray maty nilatsaham-baratra tany Behenjy, iray tany Belo Tsiribihina, telo ny teny Ambohidratrimo, iray tany Anjozorobe. Iray Farafangana, iray teto Antananarivo II, […]
Lehilahy mamo: Maty kilan’ny afo tao an-tranony
Nitrangana firehetana trano iray tany Mahavanona Antsiranana II, afakomaly tamin’ny 3 ora maraina. Tovolahy 28 taona, mamo ary tsy tafahetsika tao an-tranony no may kilan’ny afo nandritra izany. Fatin’olona efa may kilan’ny afo tanteraka sy niondrika teo amin’ny sisim-pandriana no hitan’ny fokonolona sy ny tomponandraikitra. Afon-tsigara no mety ho antony […]
Ambodiafontsy Ampitatafika : Tokantrano iray voatafika, mitotaly 16 tapitrisa Ariary ny entana very
Nitrangana fanafihana tokantrano iray tetsy Ambodiafontsy Ampiatatafika, afakomaly tamin’ny 8 ora sasany alina. Jiolahy roa lahy tsy nisaron-tava no niditra an-keriny tao an-trano, ka nandroba ny entana sy namono ny tovolahy iray 18 taona. Nitondra bar à mine ireo olon-dratsy, niditra nanainga moramora ny varavarana niditra ny trano. Fotoana tsy […]