Mandeha tsikelikely ny firosoana any amin’ny tetezamita ka ahafahana manatanteraka ny fifidianana. Efa nivoaka ireny ny datim-pifidianana vonjimaika. Hanao fitsapan-kevi-bahoaka sy hifidy izay ho filoham-pirenena ny Malagasy amin’ny taona ho avy. Efa mipetrapetraka ny fanomanana, hoy ny vaomiera mahaleo tena misahana izany. Miandry ny ankolafin-kery hafa sisa satria mbola miandry […]
Taratra
Fitantanana ny fifidianana : Handraisan’ny Ceni fepetra ireo tsy nanara-dalàna
Nanao valandresaka ho an’ny mpanao gazety ny biraon’ny Ceni, notarihin’ny filohany, Rakotonarivo Thierry, omaly, tetsy Alarobia. Nambarany fa efa natao ny fanadihadiana amin’ireo rantsa-mangaikan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity hatreny ifotony. Nohitsiny, tamin’izany, fa misy ireo mpikamban’ny Ceni, tsy mendrika intsony. Nandika lalàna sy tsy nanaja ny fitsipiky ny Ceni. Tao […]
TSELATRA
Niakatra fitsarana, Ambaratonga voalohany, omaly, ny raharaha nahafatesan’ny tovovavy iray, 23 taona, niseho teny Soavina, tamin’ny 30 aogositra 2024. Voarohirohy ho tompon’antoka tamin’io vono olona io ny lehilahy miisa telo. Anisan’izany ny olon-tian’ilay tovovavy namoy ny ainy. Teo koa ny tovolahy iray, izay niara-nianatra taminy ary lehilahy iray hafa nanampy […]
Alahelo sy fitiavana : Vehivavy iray, mpandihin’ny tarika Jean Aimé, maty namono tena
Namono tena, omaly, tany Belo-sur-Tsiribihina, ny vehivavy iray, antsoina hoe : Panda, mpandihin’ny tarika Jean Aimé. Vadin’ny mpandihin’ny tarika izay nindaosin’ny fahafatesana noho ny lozam-pifamoivoizana nahazo azy, teny Antanifotsy, ny 4 mey 2026 lasa teo. Nametraka hafatra sy namoaka ranty tamin’ny tambajotran-tserasera izy talohan’io famonoan-tena nataony io. Voasoratra tamin’izany ny hoe: […]
Lozam-piarakodia : Dorkasy 12 indray naratra mafy
Nitrangana lozam-piarakodia indray tao Alakamisy Ambohimaha, 21 km miala an’i Fianarantsoa, omaly atoandro. Dorkasy avy amin’ny FJKM avy any Alakamisy Itenina hamonjy fivoriana ao Ambohimasoa ireto tra-doza ireto. Voalazan’ny fampitam-baovao avy amin’ny zandary fa miisa 31 ireto vehivavy hamonjy fivoriana ireto ka ny 12 amin’izy ireo no tena naratra mafy, […]




