Hankalaza ny jobily faha-20 taona niorenany ny fiangonana Rhefi, izay fiangonana zandriny voasokajy ao anatin’ny Association culturelle. « Hotanterahina amin’ny alakamisy ho avy izao ny fanamarihana manerana an’i Madagasikara fa hisy kosa ny fotoan-dehibe hotronin’ny fiangonana mijoro eto Antananarivo sy ny manodidina, eny Androndrakely », hoy ny filohan’ny fiangonana eto Madagasikara sady […]
Taratra
Vokatry ny hetsika natao : Zaza 400 000 eo sisa tsy nisitraka fatram-baksiny voalohany
Taorian’ny hetsika faobe manerana ny Nosy, nihena ny isan’ny zaza tsy vita vaksiny mihitsy (zero dose). Tao anatin’ny 12 volana nanaovana fanaraha-maso, tsy nisy tranga vaovao nateraky ny tsimokaretina polio intsony hita eto Madagasikara. «Raha nahatratra 1 200 000 ny isan’ ny zaza tsy mbola nisitraka fatram-baksiny mihitsy na daozy iray aza, […]
VAOVAO TAMBATRA
Tafiditra ao anatin’ny firenena tsara tsidihina i Madagasikara, araka ny lisitra navoakan’ny gazety boky Wanderlust Travel Magazine. Maherin’ny 250 ny tetikasa notsarain’ny mpitsara manam-pahaizana amin’ ny fizahantany maharitra, ka anisan’ireo firenena 7 aty Afrika i Madagasikara. Ny tetikasa Kivalo Soa Honko no naroson’ny ONTM, miaraka amin’ny WWF sy ny Miarakap, […]
IECD: Natsangana ny vovonana Tambatra
Nampahafantarina ny 23 mey teo ny vovonana Tambatra, ao amin’ny Ivontoerana eoropeanina ho an’ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana (IECD) eny Ambatoroka. Fiaraha-miasa amin’ny fikambanana Promes, manohana ny mpianatra manana bakalorea, sahirana amin’ny fianarana ambony ataony sy ny fianarana arakasa. Tafahaona nandritra io fotoana io, ny solontenan’ny orinasa eto Analamanga sy […]
Toliara: Nodinihina ny zon’ny mpanjono madinika
Natao ny 23 sy 24 mey teo, tany Toliara, ny atrikasa fakan-kevitra mahakasika ny zo amin’ny ranomasina sy ny zon’ny mpanjono madinika. Nikarakara azy ny Afrifish Net sy ny Turning Tides, ho fanamafisana ny fahalalana sy ny fahaizan’ny mpanjono. Voakasik’izany koa ny vehivavy sy ny tanora monina amorontsiraka amin’ny zo […]




