Voasambotry ny polisy avy amin’ny kaomisaria Antaninandro, afakomaly, tamin’ny 10 ora sy sasany alina, ny tovolahy 22 taona. Nangalatra kitapon’ny mpamily taxi iray tetsy Anjanahary izy. Novonoin’io olon-dratsy io ihany koa ilay mpamily taorian’ny nandrobany ny entana teny amin’ilay lasibatra. Tavela tany anatin’ny kitapo ny finday roa, karapanondrom-pirenena, taratasy fahazahoan-dalana […]
Taratra
Lozam-pifamoivoizana tetsy Ambatobe: Maty tsy tra-drano ilay mpitondra moto
Vaky loha, maty tsy tra-drano ny lehilahy 50 taona niharan-doza teny Ambatobe, ny sabotsy 24 mey hariva teo. Ankizivavy 15 taona avotra soa aman-tsara. Miseholany ny lozam-pifamoivoizana. Mpitondra moto iray tra-doza teny amin’ny lalan’ny bibilava mampitohy an’Ambatobe sy i Nanisana, ny sabotsy 24 mey teo. Nitondra moto lehibe 4T io […]
« Forum de l’orientation et de l’employabilité”: Hitarihana ny tanora amin’ny sehatry ny asa
Tanterahina omaly sy anio, etsy amin’ny foiben’ny Programme sésame Ambatoroka, ny « Forum de l’orientation et de l’employabilité », andiany fahasivy. Manodidina ny 50 mahery ireo orinasa sy ivontoeram-panofanana miara-miombon’antoka sy mandray anjara. Manao fifampizarana amin’ny tanora tonga eny an-toerana, mahakasika ny tontolon’ny asa izy ireo. Maro ny zavatra hita eny, toy […]
Filoha Rajoelina Andry : Nanohana ny fikambanam-behivavy ao Nosy Be
Hampiroboroboana ny fandrasain’ny vehivavy anjara amin’ny sehatra ara-tsosialy ao Nosy Be, nanolotra fanampiana manokana ho an’ireo fikambanana misy ao an-toerana, ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Misehatra amin’ny asa fivelomana maro samihafa, samy manana ny fikambanany, ny ankamaroan’ireo vehivavy monina ao an-toerana. Anisan’izany, ireo vehivavy ao amin’ny fikambanana Tia Fandrosoana. Mifantoka […]
VAOVAO TAMBATRA
Handray anjara amin’ny fihaonambe Dubaï Business Forum ny 27-29 mey, any Dubaï, Emirats Arabo mitambatra, ny delegasiona malagasy. Tanjona ny hampiroborobo ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy ny Emirats Arabo mitambatra. Hasongadina ny fahafaha-mampiasa vola amin’ny sehatra lehibe toy ny fotodrafitrasa, ny fambolena, ny angovo ary ny […]




