Taratra

Yas Coupe de Madagascar : Manohy ny diany ireo klioba hafa, haverina ny lalaon’ny Elgeco Plus

Notontosaina ny faran’ny herinandro teo, tao amin’ny kianja Elgeco Plus, ny lalao ampahavalon-dalan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, « Yas Coupe de Madagas­car ». Misy lalao iray tsy maintsy averina. Fantatra avokoa ny anaran’ireo klioba fito tafita amin’ny lalao ampahefa-da­lan’ny fiadiana ny amboaran’i Madagascar, «Yas Coupe de Madagascar», taranja baolina kitra. Anisan’izany ny […]

TARATRY ny KANTO

Tontosa omaly ny « Fiofoana 2025”, fampisehoana soradihy notontosain’ny Cie Rary. Nifamotoana tetsy amin’ny Ivokolo Analakely ireo mpankafy dihy sy ireo mpandihy avy amina tarika maromaro toy ny Cie Rianala, Cie Safiotra, Jarim’s Company, Cie Rainah, Cie Summer Slam ary ny Cie Rary, mazava loatra. Fehezam-boninkazo ho an’ny reny, ny fampisehoana […]

Fankalazana ny faha-25 taona: Hanao seho maimaimpoana ny Singers of Jesus

Hanamarika ny faha-25 taona nijoroany ny antoko mpihira, Singers of Jesus. Hankalazaina amin’ny alalan’ny seho an-tsehatra izany amin’ity taona ity. “Nanaovana an-tsapaka sy nametrahana masontsivana ireo fiangonana hisitraka izany seho maimaimpoana izany ka miisa 10 ireo nahafeno ny fepetra”, hoy ny tomponandraikitry ny tarika, Rasamimanana, tetsy Ampa­samadinika, ny sabotsy teo. […]

Solika : Miampita ny kanto

Elaela no tsy hita an-tsehatra. Tsy nisy nipika kosa ny nanavaon’ny Solofo Lian-Kanto na ny Solika, ireo hira teatraly fanaon’izy ireo, nandritra ny fampisehoana tetsy amin’ny CCEsca Antanimena, omaly. Mivoy ny fihavanana, ny firaisankina fa indrindra ny fitiavana avokoa ireo hira nosafidian’ny Solika, natao ho fehezam-boninkazo ho an’ireo reny izay […]