Taratra

Tsipy kanetibe – «Mondial 2025»: Tsy manao fifanintsanana intsony fa tafakatra avy hatrany i Madagasikara

Tafapetraka ao anatin’ny tontolon’ny tsipy kanetibe maneran-tany indray ny anaran’i Madagasikara. Ny Malagasy irery mantsy no firenena nitondra medaly roa nody tamin’ireo nifaninana tany Dijon France, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany 2024 lasa teo. Tafaverina an-tanindrazana, ny sabotsy lasa teo, ny ekipam-pirenena malagasin’ny taranja tsipy kanetibe, sokajy lehilahy, avy […]

Vanim-potoana fahavaratra : Anisan’ny mampirongatra ny aretina tefoidra

Fotoana mahabetsaka ny karazan’aretina maro ny va­nim-potoana faha­varatra tahaka izao. Anatin’izany ny are­tina tefoidra, anisan’ny mahatonga izany ny fiparitahan’ny loto sy ny fahavoretrana. Vanim-potoana mampirongatra aretina maro ny fahavaratra tahaka izao. Anisan’ny aretina mora mahazo ny ankamaroan’ny olona amin’izany, ny tefoidra na ny « la fièvre typhoïde ». Antony mahatonga izany ny […]

FANTINA sy FINTINA

Manomboka anio ny fialantsasatry ny mpi­tsara, ary hifarana amin’ny 14 janoary 2025. Na izany aza, misy hatrany ny fiandrasan-draharaha sy ny fotoam-pitsarana, araka ny fanazavan’ny filohan’ny mpirakidraharaha eny amin’ny fitsarana, Herinatrehina Ella Inham, teny Anosy, ny faran’ny herinandro teo. Voafetra izay na ny fitsarana ady heloka, na ny fangatahana fahafahana […]

Minisitra Mara Volamiranty Donna : “Ny vokatra vonjimaikan’ny Ceni no azo raisina”

“Mandeha amin’ny fironan’ ny voka-pifidinana isika amin’ izao. Ny fironana ekena amin’ izao dia izay avoakan’ny Ceni ihany. Ny ankoatra an’izay, fanakorontanana sain’ny olona sy paipaikady politika tsy hisian’ny fitoniana eto amin’ny tany sy ny fanjakana. Ny dikan’izay: ny vokatra vonjimaika avoakan’ny Ceni ihany no azo raisina”. Io ny fanazavan’ny […]

Fandinihan-tena izao

  Mba vita eo amin’izay ny tabataba mameno tanàna, ny fandotoana tanàna amin’ny petadrindrina… ? Na mba hisy amin’izay ny fitoniana politika. Eny, na amin’izao fiatrehana ny fetin’ny Krismasy sy ny fitsenana ny taona vaovao izao ihany aza. Fitenin’ny mpanao politika sasany ny hoe tsy misy izay fiatoana politika, fa […]